4 janoary 2024 — Alakamisy, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)
Ry mpihaino hajaina, ny tanjon’Andriamanitra dia ny hahatonga ny andian’ondriny ho vala tokana. Izany hoe ho tonga mpianany, mba ho mpanara-dia azy ny olona rehetra. Tsy tonga ho azy izany fa mila ny fifanampiana, mila fifampizarana, mila fanoroana amin’ny samy mpiara-monina. I Joany dia nanatanteraka izany, natorony an’ireo mpianany ilay tokony harahina. Hoy izy: “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra”. Ny tsirairay, ny fikambanana maro samihafa dia manana andraikitra sy adidy hampahafantatra an’i Kristy amin’ireo mpikambana ao aminy na ireo namany na ireo fianakaviany. Manana adidy hanoro làlana azy ireo, tsy hanaraka fikambanana na manaraka olona fa manaraka an’i Kristy. I Joany sy i André, mpianatr’i Joany dia nanoro ilay mpampianatra tsy maintsy arahina. “Izaho, hoy izy, tsy maintsy mihena ary izy tsy maintsy mitombo”.
Izay rehetra nahazo ny toro-lalana tsy maintsy aleha dia mila tapa-kevitra ihany koa hanaraka an’i Kristy an-tsitra-po sy an-kalalahana. I Kristy mantsy no manao dingana voalohany, mitodika, manopy ny masony amintsika ho an’ireo izay rehetra manara-dia azy. Nanaraka azy ireto mpianatra roalahy ireto, tsy fanarahana be fahatany fa fantany tamin’ny fihetsika nataon’izy ireo fa misy zavatra tadiaviny. I Jesoa àry, no manao ny dingana voalohany mba hifandray amintsika. Impiry moa isika no mba sahy mampiditra resaka voalohany? Impiry isika no mba sahy manopy ny masontsika amin’ny namana mila vonjy na hevitra avy amintsika?
Hoy i Jesoa: “Inona no tadiavinareo?”. Manaja sy mametraka malalaka ny safidintsika i Jesoa. Izy roalahy kosa namaly ny faniriany: “Aiza ianao no mitoetra?” Izany hoe maniry ny hiray petsapetsa, te-hahita ny fiainana miaraka amin’i Jesoa izy ireo. I Jesoa kosa nanome toky hoe: “Avia ka zahao”. Raha te-hifankafantatra tsara dia ny fiaraha-mitoetra no fomba tsara indrindra. Izany fiaraha-mitoetra, fihaonana amin’Andriamanitra izany dia fahasoavana lehibe loatra. Izany no nahatonga azy mirahalahy nafana fo, tsy nisalasala nilaza tamin’i Piera hoe “efa nahita ny Mesia izahay”. Ny tsara sy ny soa dia tsy mba azo afenina, ilaintsika ny mahay mizara fa tsy misalobon-komana, indrindra ny mizara amin’ny hafa ny finoana. I Joany nizara tamin’ny mpianany roalahy, ny mpianatra roalahy nizara tamin’i Piera. I Piera kosa dia nahazo anarana tamin’i Jesoa fa ho vato, tandidona ny ho filoha sy andrin’ny Eglizy, hampianatra sy hizara ny fanjakan’Andriamanitra. Ny famantarana ny tena mpianatr’i Kristy mantsy dia isika mahay mizara, indrindra mahay mitondra ny namana ho any amin’i Kristy.
Ry Ray ô, ampio izahay hafana fo amin’ny fanampianay ny namanay hanatona ny Eglizinao masina. Amen.