30 desambra 2023 — Andro fahenina amin'ny Havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 36-40)

Tamin’ny andro nanoloran’ny ray aman-dreniny an’i Jesoa tao an-tempoly,
dia nisy koa tao mpaminany vavy anankiray, dia i Ana,
zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadian-kanina sy fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra
araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...