22 desambra 2023 — Zoma, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
Ry kristianina havana! Mbola mitohy ny fanehoana hafaliana sy ny fizarana izany efa nasehon’i Maria sy i Elizabeta tamin’ny fihaonany omaly. Efa voalazantsika fa nasesiky ny hafaliana izy ireo ka nahatonga izao fihaonana izao. Hafaliana maharitra ary hafaliana mitondra fanantenana satria avy amin’Andriamanitra. Mbola asesiky ny hafaliana hatrany izy eo ka niloa-bava nanandratra izany vavaka fisaorana sady fiderana an’Andriamanitra izany. Vavaka fanaontsika isan’andro ity vavaka nivoaka ny vavan’i Maria ity, ary mifono hevitra ara-teôlôjika lalina ny hafaliana asehony sy zarainy, mitovy amin’ny vavak’i Anna any amin’ny (2 Sam 2, 1). Misy fitenenantsika manao hoe “ny be ao am-po no avoakan’ny vava”. Hita taratra tokoa eto ny fitiavam-bavaka nananan’i Maria sady tena voaporofo fa fatra-pandinika ny Soratra Masina izy, satria raha niloa-bava nanandratra vavaka fisaorana izy dia toy ny firafitry ny Salamo any amin’ny Testamenta Taloha, ny firafitry ny vavaka manokana avy ao am-pony ka navoakan’ny vavany. Efa izany no nameno ny aty fony ka tsy tanany intsony noho ny hafaliany fa navoakan’ny vavany eto. Tandremo fa ho an’ireny mitatatata miteny ratsy etsy sy eroa tsy misy “frein” sady tsy mba mifidy toerana sy olom-pady ireny, dia azo eritreretina fa izay no be ao am-pony ka avoakan’ny vavany eny rehetra eny. Mila mandinika sy mieritreritra ireny olona ireny ary mila manao ezaka mba hanana fahadiovam-po. Mampianatra antsika eto i Maria ny amin’izany fananana fahadiovam-po lalina izany, ka na alahelo na hafaliana miseho eo amin’ny fiainany dia vavaka mandrakariva no mipololotra avy ao am-pony, ka tokony hananantsika koa izany. Telo andro sisa dia ho tonga tokoa ny Noely, ka aoka mba ho entanin-kafaliana mandrakariva isika hitsena izany andro lehibe malaza eran-tany izany.
Mbola hita taratra ao amin’io vavak’i Maria io ihany koa eto ny toetrany tsotra, malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, araka ny efa voalazantsika any aloha: “Notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny”, mbola ilay vavak’i Anna nitalaho zaza tamim-panetren-tena tamin’Andriamanitra ao amin’ny 1 Samoela 1, 11 ihany no naverin’i Maria eto. Maneho ny fananany fanetren-tena lalina ary miaina ny fahantrana sy ny maha madinika izany, ka tokony ezahantsika hananana ihany koa, isika izay miazakazaka hitady ny ambony, ny harena omban-drendrerendra sy voninahitra isan-karazany. Manaporofo izany ny toerana niainan’i Maria, tsy mba tamin’ireo tanàna lehibe miezinezina sy nalaza tamin’izany (Roma, Atena, Babilona, Jerosalema) fa tao Nazareta, any amin’ny faritr’i Galilea izay tanana notsinontsinoavina. Tiany tokoa ny nitoetra mandrakariva tamin’io vohitra kely nisy azy io. Amin’ny toerana mangina hivavahan’ny mahantra mazàna no tena ahitantsika an’Andriamanitra rehefa tena vonona hitady azy isika.
Izay manetry tena anefa no hasandratra, araka ny fampianran’i Jesoa zanany, satria noho izany fanetren-tenan’i Maria izany no hiantsoan’ny taranaka rehetra azy hoe “Sambatra”, satria nasandratr’Andriamanitra ambony izy amin’ny maha renin’ny Zanany azy. ihaino mandrakariva ny fanetren-tena ry kristianina havana, fa Andriamanitra dia manandratra ireo ambany fa manetry kosa ireo manambony tena sy miavonavona.
Jesoa Tompo ô! Manome fakan-tahaka lehibe ho anay i Maria Reninao, sady reninay, amin’ny fiainana tsotra feno fitiavana sy fanetren-tena, koa mihanta aminao izahay: ampio hahay haka tahaka azy ka hanana ireo toetra tsara nananany ireo, hitiavanay anao koa. Amen.