21 desambra 2023 — Alakamisy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)

Ry kristianina havana! Ny herinandro fahatelo amin’ny Fiaviana dia manasongadina ny hafaliana araka ny efa voalazantsika teto tamin’ny alahady. Izany hafaliana izany no asongadin’ny Evanjely vao norenesintsika teo, ary hita taratra ny maha hafaliana hafa tsy mitovy amin’ny hafalian’izao tontolo izao azy. Ny hafaliana asongadin’izao Fiaviana izao manko dia hafaliana mitoetra, ary hafaliana azo hifampizarana, hafaliana mitondra makany amin’ny fanantenana. Fa maninona i Maria no nandeha faingana namangy an’i Masimbavy Elizabeta rahavaviny?

Ankoatra ny fanehoana fahaiza-miaina sy ny fanehoana fifamatoram-pihavanana amin’ny alalan’ny fifamangiana sy fifanotronana amin’ny soa sy ny tsara, dia nasesiky ny hafaliana i Maria rehefa nahazo ny vaovao mahafaly tamin’ny Anjely ka nandeha faingana namangy an’i Elizabeta rahavaviny, izay manana anaka toa azy koa na dia hoe momba aza ary miandry vohoka. Tsy notanany ho azy samirery ny hafaliany fa nifampizarany tamin’ity rahavaviny. Nanesika azy koa anefa ny hanaporofo ny tenin’ny Anjely taminy hoe mitoe-jaza enim-bolana koa i Elizabeta nefa hoe momba. I Maria nitondra ny tenany ho virjiny ary tsy nahalala lahy nefa nolazain’ny Anjely fa hanana anaka. I Elizabeta fantatra fa hoe momba nefa nitoe-jaza koa: sahala nefa tsy mitovy ny zava-nitranga tamin’izy roa vavy. Izany no asan’Andriamanitra mahagaga ho an’ireo mino sy matoky ary matahotra Azy. Isika koa ve mba manana fisokafana amin’ny hafa, indrindra amin’izany fizarana hafaliana izany? Alao tahaka i Maria fa fahasoavana mandrakariva no vokatry ny tena hafaliana marina hifampizarana. Ny fahita any amintsika any amin’ny fiaraha-monina any mazàna, raha mba misy hafaliana hifampizarana, dia ady no hiafarana satria toa tsy fety ny fety raha tsy misy zava-pisotro eo nefa iny no mitarika ady sy korontana. Mila ovaintsika izany fomba fiaina sy toe-tsaina izany.

Feno hafaliana koa i Elizabeta sady fenon’ny Fanahy Masina, fa novangian’i Maria renin’ny Tompo. Fihaonana sahady teo amin’i Jesoa sy i Joany Batista ity fihaonana teo amin’izy mirahavavy ity, ka nampiboiboika hafaliana, hafalian’ny lanitra. Niavaka mihitsy i Zakaria, i Elizabeta, i Josefa sy i Maria satria samy niasa tao amin’izy ireo ny Fanahy Masina, na dia samy hafa aza ny fisehony. Taratry ny fahasoavana sy ny fahamasinana avy amin’Andriamanitra izany. Naverin’i Elizabeta indray teto ilay vavaka fiarahabana sy fanajana an’i Maria efa noventesin’ny Anjely, ary vavaka fanaontsika matetika amin’ny rozery. Afaka andro vitsivitsy tokoa no ahaterahan’i Jesoa ateraky ny kibon’i Maria, enga anie ny hafaliana nifampizaran’ireto reny roa, nanehoan’Andriamanitra zava-mahagaga tamin’ny fiainany ireto, mba hifampizarantsika koa ary hanentana antsika hanana hafaliana sy fanantenana fa hanova ny fiainantsika io Jesoa ho avy fa efa eo amin’ny fiainantsika isan’andro io.

Jesoa Tompo ô! Hafa raha samy hafa ny fahatongavanao teto an-tany fa ankoatra ny zava-miafina fonosiny dia niteraka fahasoavana sy hafalina tsy taka-polopolorina ho an’ny maro. Arotsahy ao aminay isan’andro izany fahasoavana izany dia tsy hisalasala izahay hanatona anao na amin’ny inona na amin’ny inona. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...