16 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 17, 10-13)

Tonga i Elia fa tsy fantatry ny olona. Inona tokoa moa no anton-dian’i Joany Batista fa tsy hampahafantatra ny olona an’i Kristy. Saingy izy aza tsy fantatry ny olona. Araka izany, dia tsy hahataitra ny olona firy ihany koa i Kristy izay ambarany. Eo no ilana fitandremana. Satria sao dia tsy mahalala ny andro tokony hihavaozana isika ka mbola manao izay sitraky ny fontsika ihany. Izany tsy fahafantarana izany anefa dia mampitombo ny firehetan’ny hatezerana ho avy.

Efa akaiky tokoa ny andron’ny Tompo. Ny maha akaiky azy dia tsy ny fiheverana hoe anio na rahampitso sy afaka ampitso fa ny fahavononantsika handray ny zanak’Andriamanitra ao am-pontsika ao. Ny andron’ny Tompo mantsy tsy voafetran’ny fanisana andro napetratsika olombelona fa ny fotoana tsy voafaritra efa ao amintsika sy efa hiainantsika mahatonga antsika honenan’Andriamanitra.

Isika anefa mila fanavaozana mandrakariva mba tsy ho ratsy fandray Ilay Zanak’Andriamanitra. Izany no hanirahana an’i Joany mba hitondra teny mahery hampieritreritra antsika, mba hampitony ny hatezerana alohan’ny hirehetany ary hampihavana ny olona indray amin’Andriamanitra. Inona no atao amin’izany mba hanekentsika sy handraisantsika ny fanavaozana entiny? Tsara ary takian’Andriamanitra amintsika ny fanaovana asa mendrika vokatry ny fibebahana. Ka ialana ao antin’izany ny fitopoan-teny fantatra. Tsy tokony hihevitra mihitsy fa manana ny fahalavorariana feno. Tsy hanamarin-tena eo anatrehan’ny fahalemena fa hiaiky sy hiova ho amin’ny fiainana vaovao. Manaraka izany, dia mitsimbina amin’ny alalan’ny fahafoizana sy ny fahaizana mizara. Tsy izay tsy tiana akory no omena sy zaraina fa izay tsy foy indrindra. Izany no tena fitiava-namana lehibe. Ka isan’ireo fanavaozana asain’i Joany atao ny fahaizana mizara amin’ny tsy manana na sakafo izany na fitafiana. Fanampin’izany, dia tsy tsara ary tsy rariny ny fitiavana maka tombony. Izany no atao hoe tia kely. Endriky ny kolikoly izany ary fisehoan’ny fitiavan-tena. Manajamba ny masontsika tsy hahita ny fijalian’ny namantsika; ary mampikatona ny fontsika tsy hisokatra hangoraka ny fahorian’ny hafa ny fitiavan-tena, tia kely. Farany, fadiana ny fanaovana an-keriny, manao tsindrio fa lavo sy manararao-pahefana eo anatrehan’ny madinika. Koa raha mitoroka ny hafa isika dia isan’ny manao an-keriny ihany koa.

Noho izany, mahaiza àry mionona amin’izay anjaran’ny tena. Ny fahaiza-mionona mantsy dia hatsaram-panahy entina mifehy tena. Koa raha mbola tsy manao asa mendrika, tsy mizara, tia tena sy mbola manao an-keriny ary tsy mahay mionona isika dia mbola tsy mahalala an’i Joany ihany koa, ka mbola manao izay sitraky ny fontsika fotsiny ihany. Raha mbola mijanona ao anatin’izany isika dia mbola tsy manaiky ho havaozin’i Elia. Araka izany, raha te-ho mpitondra fihavaozana isika dia aoka hanaraka ny fampianaran’i Joany fa izy tokoa no ilay Elia mpitondra fanavaozana manitsy ny diantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...