11 desambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)

Mampianatra mandrakariva i Jesoa, izay vao manao ny asany. Vokatr’izay fampianarany izay no nitsirian’ny finoana tao amin’ireto olona ireto ka nanatonany an’i Jesoa mba hitady fanasitranana avy Aminy. Ary i Masindahy Paoly dia manamafy izany satria “avy amin’ny toriteny ny finoana”, hoy izy, avy amin’ny fampianarana. Izay finoana izay no ilain’Andriamanitra ahafahany miasa sy maneho ny voninahiny eo amin’ny fiainantsika. Satria ny finoana dia fahatokiana an’Andriamanitra ho tompon’ny fiainana. Ka ilaina ny maneho izany mandrakariva: manatona an’Andriamanitra ary mitady ny fomba rehetra hanakaikezana Azy na amin’ny mora na amin’ny sarotra; tsy atao mahakivy ireo mety ho sakantsakana isan-karazany ataon’ny olona. Izay ilay hoe tsy mamono ny finoana ary tsy menatra ny finoana. Rehefa tsapan’Andriamanitra izay ezaka ataontsika izay dia mamindra fo antsika avy hatrany Izy, miantra sy mangoraka Andriamanitra na dia tsy mitalaho aza isika. “Koa na mbola tsy mangataka Aminy aza ianareo, hoy i Jesoa, dia fantatry ny Ray izay ilainareo” (Mt 6, 8). Mamindra fo amin’ny olona mahatoky Azy Andriamanitra. Koa manana adidy isika tsirairay avy hitondra ny namantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Fa maro ireo havantsika tapaka sy namana mety malemy ara-batana, mety malemy ara-tsaina ary mety malemy ara-panahy noho ny toe-pahotana mahazo azy, ka malemy ihany koa ny finoany, no tsy afaka hanatona an’Andriamanitra intsony. Isika izay matanjaka ara-pinoana, noho izany, no ilaina hitondra azy ireo, hiantsoroka azy ireo ho eo anatrehan’Andriamanitra (Rm 15). Mety izany ataontsika mivantana: mitarika azy mihitsy hivavaka; mety ho an-kolaka: maneho ny asan’Andriamanitra amin’ny teny sy ny asa soa ataontsika azy ary mety mivavaka ho azy indrindra ihany koa.

Saingy ny fanehoana ny finoana toy izany dia tsy mahafaly ny fahavalon’Andriamanitra mandrakariva. Asehon’ireto mpanora-dalàna sy ny Farisianina izany. Maneso sy manakivy antsika izy ireny. Mihevitra ho mahalala an’Andriamanitra bebe kokoa noho isika izy, ka taominy ny olona hanaraka ny heviny. Tsarovy anefa fa ny fiheverantsika olombelona ny momba an’Andriamanitra dia ampahany ihany fa tsy feno. Mihoatra lavitra noho izay heverintsika ny fihevitr’Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany no mahavela heloka. Marina izany! Saingy tsy tena mahalala an’Andriamanitra isika raha tsy mahalala ny haben’ny indrafony ho an’ny olona mila an’izany. Tsy ahalalana ny fisian’Andriamanitra ny fitopoan-teny fantatra sy ny fiziriziriana. Fa ilaina ny mitondra fijery vaovao eo anatrehan’ny zava-misy. Ary izay no tena fibebahana sy famindram-po.

Noho izany, raha te-hahita ny fahasoavan’Andriamanitra isika dia ijoroy ny finoana noraisina ary mikeleza aina hanatona an’Andriamanitra sy hitondra ny olona ao amin’Andriamanitra mba hihariharian’ny indrafony tsy misy fetra amintsika mpanota. Koa aza atao mahakivy na mahasakana ny hevi-diso miparitaka etsy sy eroa, mitaona antsika hanalavitra an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...