8 desambra 2023 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Ankalazain’ny Fiangonana anio i Masina Maria, notorontoronina tsy azon-keloka. Ilay vehivavy niavaka indrindra amin’ny samy olombelona. Mampitodika antsika amin’ny fomba namonjen’Andriamanitra antsika, izao fankalazana izao, mba hananantsika toetra mendrika handray an’Andriamanitra, toy ny niainan’i Masina Maria, araka ny hafatra atolotry ny tenin’Andriamanitra vakiana anio.

Ny vakiteny voalohany anio, dia maneho ny zavatra niainan’ireo ray aman-drenintsika tany am-piandohana, izay nahasimba ny maha izy ny olombelona, voaloton’ny fahotana. Nisafidy tsy hanaiky an’Andriamanitra ireo ray aman-dreny ireo, ka tafasaraka taminy. Teo no nanomboka ny fahaverezana sy ny fizakana ny vesatry ny fahotana ho antsika olombelona. Teraka koa ny tebiteby sy ny fahoriana maro. Ny fandaharan’Andriamanitra momba antsika anefa dia ny ho masina, tsy hanan-tsiny ao amin’i Kristy, araka ny Efezianina 1, (Vakiteny faha-2 amin’ity andro ity); mba hahazoantsika ny tso-drano sy fiainana lavorary ary ny fahasambarana marina. Eo indrindra no ibanjinantsika sy ianarantsika an’i Masina Maria, notorontoronina tsy azon-keloka, ilay taratry ny fiverenantsika indray amin’ilay Andriamanitra, izay tafasaraka tamintsika noho isika nanota, ary indrindra mba hiainantsika ny toe-pahasoavana mampiombona antsika tanteraka aminy.

Araka ny tenin’ny Anjely, dia i Masina Maria no ilay “Feno hasoavana”, ilay “tsy voakasi-pahotana”. Izy ilay vehivavy mendrika ny honenan’Andriamanitra. Nampianatra antsika handray sy hankato an’Andriamanitra. Ka ho vonona hanao “ENY” hatrany, amin’izay lalam-pahamasinana iantson’Andriamanitra antsika isan’andro. Fianarana hiezahantsika iainana àry, amin’izao andro ankalazana an’ilay Reny, notorontoronina tsy azo-keloka izao, voalohany, dia ny hanajantsika sy hikolokoloantsika ny maha isika antsika tsirairay avy, ny tenantsika, endrik’Andriamanitra isika, ary trano honenany koa aoka hitandro ny fahamendrehany mandrakariva. Faharoa, ny handraisantsika ilay hatsarana araka ny naharian’Andriamanitra antsika, ka tsy handoto tena amin’ny fahotana, tsy hanimba tena amin’ny rendrarendra, tsy hanapozina ny fo sy ny saina amin’ireo manimba ny maha isika antsika, fa hikatsaka kosa ny fahamasinana toa an’i Masian Maria, ka hanokan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...