5 desambra 2023 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 10, 21-24)

Mampiharihary ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra antsika olombelona no votoatin’ny Evanjely rentsika teo. Zava-dehibe maneho ny fitiavany antsika fa koa, mampianatra antsika haka tahaka an’i Jesoa, eo anatrehan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

Voalohany amin’izany i “Jesoa nienta-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina”, ka nanao hoe: “Misaotra Anao Aho Raiko”. Izay feno ny Fanahy Masina dia mahay mankasitraka, mahay misaotra sy midera an’Andriamanitra mandrakariva. Naseon’i Masina Maria izany rahefa avy narahabain’ny Anjely izy, ka nilazany fa ny Fanahy Masina no tonga ao aminy. “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, faly sy ravo amin’ilay Mpamonjy ahy ny foko.” (Lk 1, 46). Nandray ny Fanahy maha zanaka isika tamin’ny Batemy, nomena ny fanomezany feno tamin’ny Fankaherezana, moa ve mahay mankasitraka an’Andriamanitra. Tonga zanany isika, tsy noho ny fahamendrehantsika na ny zo ananantsika; fa noho ny fitiavany: haintsika ve ny mankasitraka izany. Mahatsiaro misaotra noho ny andro, ny fahasalamana, ny hery, ny rivotra, ny orana, ny hafanana… fitiavan’Andriamanitra ireny, miantoka ny fahavelomantsika, aza manadino ny misaotra Azy, fa Ray Izy, Rain’i Jesoa sady Raintsika rehetra koa.

Faharoa, Ray nanambara ny miafina tamin’ny zaza madinika ny Raintsika. Ray tia ny mahantra sy ny kamboty, tia ireo atao tsinontsinona, ireo tsy mba manana mpiahy. Andry sy toky ho antsika Andriamanitra, zanany isika ka miantehera sy matokia Azy. Tsy adinoina koa anefa manoloana izany, ny toetra tokony hananana raha te ho heniky ny fitiavan’Andriamanitra isika. Tsy mba ny mahay sy ny hendry no hahalala ny zava-miafina momba Azy Andriamanitra, fa ireo manetry tena, ireo miantehitra aminy, ireo tsy manao ny tenany ho zavatra fa manaiky ho tarihiny amin’ny lala-marina. Meteza ho madinika dia hanana anjara amin’ny izay Azy isika.

Fahatelo, tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy. Isika amin’izao no nanambaran’i Kristy ny Ray, isika no isan’ireo notiaviny ka nomeny an’i Kristy, Ilay mpanalalana antsika aminy, nampianatra antsika ny fiainana ao aminy. Tsy diso anjara tamin’ny fitiavany isika, koa aza mandraraka ilo mby an-doha. Izay nahalala dia manana adidy hampianatra sy hampita; ho zanaka taha-dRay tokoa anie isika.

Fahefatra, “sambatra ny maso izay mahita ny hitanareo”. Ny hitan’ny mason’ireto mpianatra ambaran’i Jesoa eto dia ny endrik’Andriamanitra ao aminy, ny fitiavana itiavan’Andriamanitra ny olombelona. Naniry hahita ny taloha fa manan-jara ny tojo izany. 2023 taona izay no nitoriana ny Evanjely, 2023 taona izay no nahariharin’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Zanany tonga nofo, ny fitiavany antsika olombelona. Tsy naniry toy ireo mpaminany isika fa efa heniky ny fahasoavany; ka moa ve mahatsiaro tena ho sambatra sa mbola mitady fahasambarana hafa isika? Antsika ankehitriny ny maneho an’Andriamanitra, maneho ny fitiavany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...