25 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)
Miresaka mahakasika ny fitsangan-kovelona ny Evanjely anio. Anisan’ny teny finoana voarakitra ao amin’ny Fiekem-pinoana. Matetika anefa isika no tsy dia mahazo tsara azy io, koa andeha àry isika hihaino ny fanazavan’i Jesoa Kristy momba izany. Lazain’i Jesoa Kristy mazava fa tsy mitovy velively amin’ny fiainantsika eto an-tany ny fiainan’ny fitsangan-kovelona; tsy hoe taratry ny fiainana eto an-tany na koa fitohizan’ny fiainana teto an-tany fa samy hafa mihitsy.
Fiainana nomanin’Andriamanitra ho an’ireo olomarina izy io izay ahafahan’izy ireo handray anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra, tsy ahitana fahafatesana na oviana na oviana. Tsy miahiahy na koa matahotra an’io fahafatesana io intsony ny olomarina. Noho izany rava hatreo ny fomba atao rehetra handresena ny fahafatesana toy ny firosoana amin’ny fanambadiana sy ny fiterahana. Ny anambadian-kiterahana hoy ny fitenin-drazantsika, fa aseho amin’ny alalan’ny fiterahana ihany koa ny faniriana ny ho lava andro iainana satria hampitain’ny taranaka mifandimby ny anarana sy ny aina.
Farany, Andriamanitra velona io Andriamanitsika io; Andriamanitry ny velona Izy ary miombona aina mandrakariva amin’ireo olomarina na dia efa nodimandry aza izy ireo. Ho antsika kristianina, Andriamanitra velona i Jesoa Kristy ka tsy voasakan’ny fahafatesana na oviana na oviana ireo kristianina miombona aina aminy : “Izay mino Ahy na maty aza na mbola velona, izay mino Ahy mbola ho velona”.