24 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Mamporisika antsika hahatonga ho fitoeram-pivavahana sy ho fitoeram-pihaonana amin’Andriamanitra ny Fiangonana ny fihetsika nataon’i Jesoa anio. Noroahiny ireo mpivarotra tao an-Tempoly.

Tsindraindray toa toeram-pivarotana ny Fiangonana ivavahantsika, ary tsindraindray toe-tsain’olona hiantsena no misy amintsika rehefa tonga ao am-piangonana. Betsaka no tara fidirana ao am-piangonana toy ny olona hiantsena ka manao izay hahatongavana any na amin’ny firy na amin’ny firy; tsy mitaky fitafiana manokana ny fankanesana any an-tsena; afaka misakafo any an-tsena ny olona; tsy tsena ny tsena raha mangina ny mpivarotra sy ny mpividy ka izany no mahazava-dehibe ny fisian’ny mozika mafy sy kiakiaky hanintonana mpivarotra be indrindra mba hahalafo ny entana amidy.

Sakana amin’ny fihaonana amin’Andriamanitra ny fananana an’ireo toe-tsain’olona hiantsena araka ireo voalaza ireo, ary tsy mampahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho latsa-paka na oviana na oviana araka ny lazain’ny fanoharana mahakasika ilay voa nafafy, voahitsakitsaky ny olona mpiantsena sy zary lasa sakafon’ny voromanidina. Tsy hahomby velively sy tsy hisy vokany eo amin’ny fiainana noho izany ny Tenin’Andriamanitra sy ny sakramenta raisina.

Fanontaniana manitikitika sy mahasadaikatra no apetraka eto am-pamaranana manao hoe: “Raha hiverina eto an-tany i Jesoa, ka ho tonga hitsidika antsika ao am-piangonana mandritra ny fivavahana: kristianina firy no ho tavela ao fa tsy ho voaraokany?” Samia àry isika, mieritreritra sy hiova ary hiara-hisalahy mba hampahatonga ho toeram-pihaonana amin’Andriamanitra ny Fiangonantsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...