8 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)

Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa,
ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe:

“Raha misy manatona Ahy
ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny,
ary ny vadiny sy ny zanany,
mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny
ary na dia ny ainy aza,
dia tsy mety ho mpianatro.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy
dia tsy mety ho mpianatro.
Ka iza tokoa moa aminareo
no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha
hitety izay ho laniny,
na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia,
sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy
ka holatsain’izay rehetra mahita hoe:

‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io,
nefa tsy nahavita tsinona.’

Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa,
ka tsy hipetraka aloha hihevitra
na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina
ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia?
Fa raha tsy hahomby izy,
dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray
dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy.
Toy izany koa,
na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany
dia tsy mety ho mpianatro.”

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...