4 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)

Ry havana; raha niditra nisakafo tao amin’ny Farisianina i Jesoa dia narahin’ireo maso ny fihetsiny. Eto kosa indray dia i Jesoa no mijery ka mahita ny olona miady toerana mihaja sy miady voninahitra. Ny fiaraha-monina tamin’izany manko dia ny tsirairay no mametraka ny tenany hoe aiza aho, ambony sa ambany aho, miolotra amin’izay olona hafa eo; dia samy miambo ho ambony; dia samy manora-tena. Eo i Jesoa no mampianatra fanetren-tena hoe aza miady voninahitra, aza manetry olona.

Ny fanetren-tena dia fametrahana ny hafa amin’ny toerana mendrika azy sy fipetrahana amin’ny sahaza ny tena. Mivadika mihitsy ny rasa rehefa miaraka amin’i Jesoa: iza no ambony? dia izay manaiky ho ambany sy mpanompo; iza no lehibe? dia izay manaiky ho kely. Aza miambo ho mendrika sy tsara ka hanetry ny hafa ho ratsy sy tsy mendrika.

Mandom-baravarana antsika i Jesoa; te handroso ao am-pontsika; te hanova ny fiainantsika; te hanadio ny avonavona sy ny filan-dera sy ny fitiavam-boninahitra... Hatsaram-panahy ankasitrahan’i Jesoa indrindra ny fanetren-tena ka iriny hiainantsika. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...