2 nôvambra 2023 — Fahatsiroavana ny mpino nody mandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Ry kristianina havana; mahatsiaro manokana ireo havana rehetra efa nodimandry isika rehefa 2 nôvambra. Mivavaka ho azy ireo isika satria tsy afaka manao na inona na inona intsony izy ireo izay mbola mijaly ao amin’ny afo fandiovana, fa isika velona no mivavaka sy manolotra sorona ho azy mba hamonjen’Andriamanitra azy mandrakizay. Araka ny finoana malagasy dia hoe velona any ankoatra izy ireny, afaka mitahy; noho izany tsy tapaka tarangana akory ny fifandraisana aminy, ray aman-dreny foana izy ireny, havana aman-tsakaiza foana izy ireny na dia efa lasana any aza. Mivavaka no anjarantsika fa ny famonjena an’Andriamanitra. Mari-pitiavana azy ireny ny manatitra voninkazo fa ambony lavitra sy mandaitra ho famonjena ny mivavaka sy manolotra sorona ho azy.

Ambaran’ny Evanjely amintsika anio fa any an-tranon’ny Ray no itodihantsika raha miala eto. Nankalaza ny Eglizy sambatra na ireo olomasina rehetra isika ny 1 nôvambra; mahatsiaro ireo ao amin’ny Eglizy mijaly isika izao 2 nôvambra izao; taratry ny lalana diavintsika, isika Eglizy miady mbola an-dalana eto an-tany izany rehetra izany. Io àry i Jesoa manolo-tena ho lalana marina mankany amin’ny Ray; Izy sy ny Ray anefa dia iray ihany; ka izay tonga eo Aminy sy mitoetra Aminy dia tonga eo amin’ny Ray. Ny famonjena ny olona rehetra no tanjon’Andriamanitra. Aoka hiboiboika vavaka tsy ankijanona ny fontsika feno fitiavana ho famonjena fanahy na ny antsika na ireo any an-koatra. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...