1 nôvambra 2023 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Fankalazana manetriketrika ny olomasina rehetra sady fety voadidy hohamasinina ny anio 1 nôvambra. Fahiny manko dia ireo maritiry nahafoy ny rany halatsaka noho ny fitiavana an’i Kristy ihany no najaina manokana. Rehefa nivoatra kosa ny fandinihana dia olomasina rehetra mihitsy no mila ankalazaina satria mibanjina ny voninahitra miandry antsika any an-danitra isika amin’izao fankalazana izao sady misantatra ny hafaliana mandrakizay.

Tsy hoe ireo tononina anarana amin’ny litanian’ny olomasina ihany akory fa izay rehetra nino an’i Kristy sy voavonjy; maro be izy ireny ka sady mivavaka ho antsika no môdely sy fakan-tahaka amin’ny fiainana tontolo. Santa-bokatra izy ireny, hoy ny vakiteny amin’ity andro ity, fa maro be tsy tambo isaina no manaraka eo. Eny fa na dia isika aza efa masina koa na dia mbola tsy tonga amin’izay fanaperana.

Azo atao tsara ny manamasin-tena. “antso loloha lanitra ho an’ny olombelona rehetra ny fahamasinana”, hoy ny Kônsily Vatikana faharoa. Olona tahaka antsika ihany manko ireo olomasina ireo ka azontsika izorana tsara izay nodiaviny dia ny fivavahana, ny Sakramenta, ny Tenin’Andriamanitra, ny famonjena ny mahantra sy marary. Fa eo indrindra ny hasambarana valo torin’ny Evanjely: ny fiankinana manontolo amin’Andriamanitra, ny fihavanana, ny famindram-po, halemem-panahy, fahadiovam-po… hitombo fahamasinana hatrany anie isika, homban’ny vavaky ny olomasina rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...