27 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany, ahoana ary no tsy ahafantaranareo izao toetr’andro diavintsika izao. Ry havana, aza manjehy ny andro ho lava fa andao hivavaka sy hibebaka; mbola tsy tara isika ary miandry anao mandrakariva ny Tompo. Ny fontsika miverina amin’izay mety ratsy ataontsika no tadiaviny. Aza faly mianoka ao anatin’ny fahasambarana tsy mitondra makany an-danitra. Fa ny finoana sy ny fivavahana no anisan’ny maha sambatra, ary mitondra antsika makany. Haintsika fantarina ny toetry ny hafa fa ny an’ny tenantsika tsy mba saintsainintsika akory, variana maminany sy manonofinofy eo am-pitsanganana fotsiny isika fa tsy mba mandohalika mivavaka, mitalaho, mitsinjo ny ho avy. Faly ery isika manao kajikajy maro samihafa etsy sy eroa, mankasitraka ny zotram-piainana eto amin’ity tany boribory ity fa tsy mba mahavita mandinika ny Soratra Masina sy mandini-tena mivavaka iresahana amin’Andriamanitra.

Eto amin’ity Evanjely ity i Lioka dia mampirisika antsika mba hiroso lalindalina kokoa amin’ny fomba fijery ara-panahy, izany hoe ampiasaina ny masom-panahy mba hitsinjovana sy hamantarana izao andro diavintsika izao, satria tokoa anie toa zary tsy dia sahan’ny olona tenenina intsony Andriamanitra eo amin’ny fiainana, eny fa na dia isika mpitondra fivavahana aza indraindray mety ho rendrika ao antin’izany. Miha mangatsiaka ny fon’ny olona hivavaka noho ny adim-piainana lafo sy gidragidra lava, dia aleony miasa amin’ny andro natokana hivavahana, toa izay hanompoana an’Andraiamanitra.

Aoka isika hiroso amin’ny lalina fa aza variana amin’ny toetry ny zavatra ety ivelany fotsiny ihany, natao ireny mba hitodihantsika makany amin’ilay Nahary azy fa tsy sanatria lasa ireny indray no sakana na lasa andriamanitra kely tompoina, samy zanak’Andriamanitra isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...