20 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)
Ry mpihaino hajaina, tsy mora ny mitoetra ho mpianatr’i Jesoa, indrindra ny mijoro ho vavolombelony amin’ny fahamarinany, amin’ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny, amin’ny fitoriana ny fanjakany. Eto noho izany dia ny fijanonana amin’ny hevitra, amin’ny teny, amin’ny fanarahan-dalàna, amin’ny soatoavina no mahavoaenjika. Voaenjika ny olona iray noho izy miaro ny marina, noho izy miaro ny soatoavina, noho izy koa manambara ny marina. Ny lalivain’ny Farisianina dia tsy inona fa nambaran’i Jesoa fa ny fihatsaram-belatsihy. Izany hoe ny zavatra ambarany dia tsy mifanaraka amin’ny fiainany ety ivelany, na izay torìny dia tsy mifanaraka amin’ny fiainany. Ny tena mpianatr’i Jesoa noho izany dia olona tsy mpihatsaravelatsihy, fa olona sahy milaza ny zava-misy. Tsy ilaozan’izay te hanampim-bava anefa ny mpianatra ka izay no mahatonga an’i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe, rahefa novonoiny ianareo” (Lk 12, 4). Noho izany ny fahatahorana ho faty ara-nofo dia tsy tokony hampatahotra. Mankahery ny mpianany i Jesoa manoloana ny fanenjehana mba tsy hatahotra satria Andriamanitra tsy manadino azy, Izy Andriamanitra irery ihany koa no afaka manameloka ny vatana sy ny fanahy ho very any amin’ny afobe (Lk 12, 5).
Ny fiarovana ny soatoavina sy ny fahamarinana no mahavoaenjika fa tsy ny maha olona. Noho izany mety ho faty ny olona fa ny tsangan-kevitra narovana dia tsy azo vonoina, tsy azo fafana fa mitoetra mandrakariva, hisy hampianatra sy hiaro mandrakariva. Tsy miafina amin’i Jesoa ny fahatahorantsika ny ho faty amin’ny maha olombelona. Iza moa no tsy te hamonjy ny ainy rahefa tandindomin-doza? Adala no tsy miaro ny ainy rahefa fantany fa hamono azy. Izany no mahatonga ny olona mandositra hamonjy ny ainy rahefa fantany fa tandindomin-doza ny ainy satria fantany fa lahitokana. Kanefa io no ampahatsiahivin’i Jesoa fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy mandrakizay. Ny fandresena ny tahotra sy ny baraka no mampiavaka ny tena mpianatr’i Jesoa sy ny kristianina vonjy tavanandro, rahefa mandeha ho azy ny fiainana. Noho izany ilaintsika ny finoana marina tahaka an’i Abrahama, nandeha na dia tsy nanana hantenaina aza izy (Rom 4, 1). Ny fiatrehantsika ny sarotra indrindra, ary ny tsy fivadihana aminy no tena hanamarinana antsika fa tena kristianina isika.
Ry Ray ô, omeo anay ilay fahasoavana tsy mivadika aminao rahefa tojo fanenjehana mihatra aman’aina izahay noho ny maha mpianatrao anay. Amen.