Alahady 08 marsa 2020 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratran'i Masindahy Matio 17, 1-9 — Tao anatin'ny rahona mamirapiratra no re ny feon'ny Ray nanao hoe : Ity no Zanako malalako : henoy Izy.

0 : 00

Tsy zoviana amintsika intsony izay nambaran'ny tenin'Andriamanitra izay fa mampiseho ny fiovan'i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra, mampiseho ihany koa ny famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra eo anivon'izao tontolo izao. Isaky ny alahady faharoa amn'ny Karemy isan-taona no hanehoan'ny Fiangonana amintsika izay fiovan'i Jesoa tarehy izay mba hamelomana ny fanantenantsika fa taratry ny hasoantsika rahatrizy tokoa ity fiovan-tarehin'i Jesoa ity. Ny fiovan-tarehy dia endriky ny hatsaran'Andriamanitra, famantarana ny fisian'Andriamanitra amin'ny maha Izy azy ary amin'ny maha Andriamanitra azy sy ny maha Izy azy manontolo: "Dans sa divinité et dans sa totalité" hoy ny teny frantsay. Izany dia mampiseho amintsika fa feno tokoa ny maha Andriamanitra an'i Jesoa ary amin'ny maha izy azy manontolo mihitsy. Nentiny ho vavolombelon'izany sy ho solontenantsika i Piera sy i Jakôba ary i Joany.

Fotoana fibanjinana izany hatsaran'Andriamanitra izany izao vanim-potoanan'ny Karemy izao, miditra amin'ny herinandro faharoa isika manomboka anio. Koa meteza àry mba handinika lalina ary hijery lavitra fa tsy ho variana amin'ny eto ivelany fotsiny, tahaka ny fakam-panahy izay nahazo ireto mpianatra telo mirahalahy ireto. Ka sanatria hoe hiondrika amin'izay hatsarana sy harena mandalo eto an-tany fotsiny fa tsy hitraka hiandrandra ilay fanantenana ao amin'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...