14 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)

Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao,
sy ny nono izay ninonoanao!” —

“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...