30 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

Tsaroantsika androany i Masindahy Jérome, pretra, mpampianatry ny Eglizy. Izy no loharano niavian’ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny maro samihafa. Nimasoany izany mba hahalalantsika an’Andriamanitra misimisy kokoa. Saingy eto amin’ity Evanjely ity dia sanganehana be ihany ireto mpianatry i Jesoa; satria vao teo Izy no nanao fahagagana lehibe nigagan’ny vahoaka, nampiseho ny halehiben’Andriamanitra, dia avy eo indray nefa manambara Izy fa tsy maintsy hatolotra ho ampijalian’ny olona. Lehilahy mahery tahaka izany ve dia hisy hahasambotra? Toa mifanohitra amin’ny fiheveran’ny saintsika olombelona ny ataony sy lazainy. Fa ahoana àry? Ka eo indrindra no tsy tokony hiheverantsika amin’ny fisainana maha olombelona fotsiny eo anatrehan’ny zava-mitranga ambaran’Andriamanitra amintsika fa hahay handinika tsara amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra.

Sarotra anefa ny manatanteraka izany raha tsy miombona Aminy isika, indrindra ao amin’ny Teniny. Izay no mahatonga an’i Masindahy Jérome mampianatra antsika handalina ny Soratra Masina, hahalalantsika bebe kokoa ny hevitr’Andriamanitra momba ny fiainantsika. Satria ny ahafantarana ny olona iray dia ny teniny. Araka ilay tenin’i Jesoa hoe ny voany no ahafantarana ny hazo satria izay be ao am-po no avoakan’ny vava. Dia toy izany koa, ao amin’ny Soratra Masina, Tenin’Andriamanitra irery ihany no hahalalantsika an’Andriamanitra sy ny heviny. Eto dia tsy azon’ireo mpianatra ny tenin’i Jesoa satria tsy sahy nanontany Azy izy ireo. Ilaina araka izany ny manatona sy miresaka amin’Andriamanitra mba hahalalana Azy. Manatòna sy miresaha àry amin’Andriamanitra mba ahafehezantsika tena toa an’i Masindahy Jérome ka ahafahantsika mahalala ny sitrapon’Andriamanitra amintsika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...