28 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

Mbola betsaka tokoa ny olona no tsy nahalala an’i Jesoa tamin’izany fotoana izany. Ny mari-drefy ahafantarana mantsy fa fantatry ny olona rehetra ny olona iray, ohatra hoe ny mpihira iray, dia efa raiki-tadidy sy tsy afaka eo ambavan’ny olona ny hirany na ny teniny na ny zavatra nataony. Hatramin’ny mpitondra, ny olo-be eo amin’ny faritra misy azy aza dia efa mahalala avokoa. Eto amin’ity Evanjely anefa dia hita fa mbola maro samy hafa ny valin-tenin’ny olona momba ny fandrenesana an’i Jesoa : i Joany hoy ny sasany, i Elia na ny iray amin’ny mpaminany taloha. Izany no midika fa tsy mbola tena fantatry ny olon-drehetra Izy. Eny hatramin’i Herôda Tetrarka, mpanjaka aza tsy mahalala Azy : “tsy hitany be ihany izay hevitra”. Ny atao hoe Tetrarka dia mpanapaka faritany efatra. Ka ity Herôda ity dia i Herôda zanany io, izany hoe zanak’ilay Herôda nanjaka tamin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy.

Ny hany fantatry i Herôda fotsiny dia hoe olona nanao zava-dehibe i Jesoa. Tsy misy olona afaka mahavita izany anefa raha tsy avy amin’Andriamanitra. Ka faniriany nanomboka teo ny hahita an’i Jesoa. Efa fanombohan’ny finoana ny faniriana ny hihaona amin’Andriamanitra. Ary efa fanombohan’ny fibebahana sahady, tahaka ny fanirian’i Zake te-hahita an’i Jesoa ka nahatonga azy nibebaka tokoa ao amin’ny toko faha-19. Saingy tsy latsa-paka ny finoana raha mijanona ho faniriana fotsiny ihany noho ny zavatra hita sy re ety ivelany. Satria rehefa tafahaona tamin’i Jesoa i Herôda any amin’ny toko faha-23, 8 dia tsy ny finoana Azy ho Andriamanitra no hetaheta tao amin’i Herôda fa faniriana ny hahita fahagagana avy aminy fotsiny, dia nijanona teo. Araka izany, dia tsy ampy ny mijanona eo amin’ny faniriana, fikasana fotsiny ihany hitady an’Andriamanitra fa tena ilaina tokoa ny mihaona mihitsy amin’Andriamanitra ao amin’ny teniny sy ny tenany mba hananana fiovam-piainana marina tokoa. Koa miezaha àryn manatona sy mihaona amin’Andriamanitra mandrakariva, indrindra amin’ny vavaka.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...