26 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

Avy nanantitrantitra ny vahoaka ny amin’ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra i Jesoa no tonga ireto havany ireto mba hihaona aminy. Iza tokoa moa no tena havan’i Jesoa ? Ny rahalahiny voalaza eto dia ny zanak’olona mirahavavy aminy fa tsy iray tampo akory, dia i Jakoba zandriny, i Jodà, i Josefa, i Simôna voalaza ao amin’i Masindahy Matio 13, 55 sy Joany 19, 25; ary ny reniny voalaza eto dia i Masina Maria. Ka amintsika olombelona nofo sy rà dia sarotiny ery isika raha vao ny havana no voatonontonona. Vokatr’izay dia napetraky ny olona ho lohalaharana sy ambonin’ny zavatra rehetra ny havana amin’izay zavatra rehetra mitranga, ka nahatonga ilay fitenenana hoe “tsy nisy nivoaka tamin’ny vato aman-kazo” fa ao ireo havana Ray sy Reny niandohana. Marina izany! ary adala izay tsy tia ny azy, tsy tia ny havany. Kanefa tsy tian’i Jesoa hijanona eo amin’ny havana ara-nofo fotsiny isika fa tiany hihevitra ambonimbony kokoa. Koa mazavabe ny valin-teniny eto. Sanatria tsy fanesoan-kavana no nataony eto fa fananarana antsika hanao ny Fanahy ho ambony noho ny nofo, sy ny fitiavana an’Andriamanitra ambony noho ny fitiavan-kavana. Ka mora ny mandre fa sarotra ny mihaino, mora ny manaiky fa sarotra ny mankato.

Ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra dia mandatsaka ao am-po mihitsy ilay teny voalaza ary mila fifantohana sy finiavana izany; raha toa ka mandalo fotsiny tsy misy tadidy ny atao hoe mandre. Ny mankato indray dia manatanteraka izay voalaza; raha toa ka tsy manao na inona na inona ny olona manaiky. Ny tena sitrak’Andriamanitra anefa dia ny fihainoana sy ny fankatoavana izay voalazany. Tena nihaino sy nankato ny Tenin’Andriamanitra ny rahalahiny sy ny reniny ara-nofo saingy mitovy laharana sy mitovy lanja amin’ny reniny sy rahalahiny isika raha mitandrina sy manatanteraka ny Teniny. Tonga havana akaiky amin’Andriamanitra isika raha mitandrina sy manatanteraka ny Teniny: tonga rahalahin’ny Zanak’Andriamanitra sy renin’ny Zanak’Andriamanitra. Koa iaino àry ny tenin’Andriamanitra fa fianakavian’Andriamanitra isika raha mametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana ambonin’ny zavatra rehetra.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...