9 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Mampahatsiahy antsika ny hevitry ny andro Sabata i Jesoa Kristy amin’ny Evanjely anio. Andron’Andriamanitra ny andro Sabata. Fa Andriamanitra Tompon’ny tantara sy Andriamanitra velona ary mamelona io Andriamanitra tompointsika io ; Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona amin’ny zava-manahirana andavanandro Izy, koa tsy tokony hahagaga raha toa ka namonjy ny ain’olona saika ho fatin’ny hanoanana i Jesoa Kristy araka ny taterin’ny Evanjely anio. Tsy hoe nandika ny fanao Sabata akory i Kristy eto fa nampahalala kosa ny tokony hatao manoloana ireo olona sahirana eo akaikintsika, izany hoe ny andron’ny Tompo, dia andro anehoana ny fitiavana Azy sy ny fitiava-namana. Koa amin’alalan’ny fiahiana ny hafa no endrika anehoana ny fitiava-namana eto.

Androm-pamonjena ihany koa ny Sabata, satria andro manafaka antsika olombelona amin’ny fanandevozan’ny asa aman-draharaha ka hahafahantsika hidera an’Andriamanitra an-kalalahana amin’alalan’i Jesoa Kristy. Androm-pamonjena izany ankehitriny raha toa ka afaka nanamaivana ny hafa isika amin’ny fahasahiranany mba hahafahany manompo an’Andriamanitra an-kafaliana sy an-kalalahana tokoa toy ny mamela ireo mpiasa an-trano hivavaka, manampy ireo namana aman-tsakaiza hamita ny lahasa mialoha ny alahady…

Raha talohan’i Jesoa Kristy, noheverina fa amin’alalan’ny didy folo no ahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra, ankehitriny kosa amin’alalany no itenenan’Andriamanitra mivantana, satria Izy no ilay Fanambarana feno sy faratampony. Zava-dehibe noho izany ny fanarahana izay lazainy amintsika satria mitondra antsika any amin’ny famonjena izany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...