6 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)

Lesona telo lehibe hanamafisana ny fiainana ara-panahy no lazain’i Masindahy Lioka, evanjelista androny. Asehon’ny Evanjely anio ny vokatry ny fifampikasohana amin’i Jesoa Kristy. Fifampikasohana miteraka fahasitranana, fahafahana. Nahatsapa ny fiovana ireo rehetra nifampikasokasoka taminy, fiovana vokatry ny Fanahy Masina, izay tonga hanavao ny endriky ny tany izany. Toa tsapa hoe manomboka ny fiainana rehefa miaraka amin’i Jesoa, ary toa mahazo famotsoran-keloka ihany koa satria Izy mihitsy no manafaka antsika amin’ny fatoran’ny demony.

Fa mampianatra antsika hiady amin’ny demony ihany koa ny fifampikasokasohana amin’i Jesoa. Ampianariny isika tsy handany fotoana hiady hevitra amin’i Satana, toy ny nataon’i Eva ; asain’i Jesoa isika tsy hihaino azy satria hanao an’izay handresen-dahatra antsika amin-kafetsena mandrakariva ny demony, fa ny ao ambadika anefa dia ny hanimba ny fiainantsika sy hampivaona antsika amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy navelan’i Jesoa hiteny ny demony eto, ary tsy navelany handahatra ihany koa.

Farany, fanomezan’Andriamanitra ny Evanjely. Fanomezana midika hoe adidy. Koa adidy voalohany amin’izany ny fahaiza-mandray azy, fa adidy faharoa ihany koa ny famelàna an’i Jesoa hanao soa hatraiza hatraiza. Tsy mety raha tazonintsika samirery ny tombontsoa entin’i Jesoa, tahaka ny nataon’ireo olona tao Kafarnaoma, izay te-hitazona an’i Kristy ho azy ireo samirery, fa tsy vonona ny hamela Azy hanao soa ihany koa ho an’ny hafa. Manana adidy isika hijery ny mahasoa ny hafa ihany koa, ka ny fahaiza-mizara an’i Jesoa hahitan’ny hafa fahasoavana sy fahasovana no endrika anehoana an’izany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...