25 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Ry kristianina havana! Mazana izay mahalala ihany no minia mandika ny lalàna. Ny lalàna anefa dia tsy natao hangeja antsika fa natao hanafaka antsika raha toa ka iainantsika ny tena fitiavana marina araka ny hamalian’i Jesoa ity mpahay lalàna maka fanahy azy ity. Ny fitiavana an’Andriamanitra, ambonin’ny zavatra rehetra sy ny fitiavana ny olona rehetra tsy an-kanavaka, izay no hamalian’i Jesoa azy. Nofehezin’i Jesoa ao anatin’izany didy anankiroa izay tsy mifanipaka fa mifameno sy tsy afa-misaraka izany ireo didy marobe voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha. Didy izay nataon’ny zanak’i Israely tsianjery ary ezahiny iainana ara-bakiteny. Ireo didy ireo no lehibe indrindra, hoy i Jesoa, mamaly ity mpanora-dalàna.

Azo lazaina fa tsy dia zava-baovao loatra amintsika izany valin-tenin’i Jesoa izany, satria raha amin’ny fandalinam-pinoana na ny katesizy izay hianarantsika no jerena, dia diso fantantsika loatra ny tsy maintsy itiavantsika an’Andriamanitra izay fototry ny fiainantsika olombelona sy ny tsy maintsy hitiavantsika ny olombelona rehetra. Fa amin’ny lafiny iray hafa, dia mifono zava-baovao koa ny valin-tenin’i Jesoa, indrindra eo amin’ny fiainana sy ny fampiharana azy eo amin’ny fiainana maha kristianiana isan’andro. Antitranterin’i Jesosa amin’izany ny “fitiavana”, io no tokony hanentana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy amintsika samy isika, fa tsy ny hoe tsy maintsy na didy araka ny maha didy na lalàna azy. Tsy azontsika sarahina anefa io fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana io satria arakaraka ny itiavantsika an’Andriamanitra no mahatonga antsika ho tia ny hafa, ny namana izany hoe ireo rehetra mila fanampiana sy vonjy amintsika.

Raha sanatria tokoa mantsy io fitiavana an’Andriamanitra, izay toy ny jiro manazava sy aina mamelona ny maha olona antsika manontolo – saina, fo, fanahy – io no foana dia manjary rakotra haizina ny tenantsika manontolo ka tsy hahita na inona na inona tsara intsony. Dia indro fa lasa manaonao foana, lasa maka ny toeran’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ny lolom-po amam-pankahalana ateraky ny fitiavan-tena. Ny didim-pitiavana no ampianarin’i Jesoa antsika androany ka aoka isika tsy ho azon’ny fakam-panahy nahazo ireto Farisianina sy Mpanora-dalàna ireto, fa hiaina ny tena fitiavana marina tokoa araka ny ambaran’i Masindahy Augustin hoe “tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao”.

Jesoa Tompo ô! Noho ny fitiavanao an’Andriamanitra Ray sy ny fitiavanao anay dia nahafoy ny ainao Ianao. Ampio izahay mba hahay haka tahaka Anao amin’izany fitiavana marina izany! Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...