Alahady 01 desambra 2019 - Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44.
Asehoy anay ry Tompo ny famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

0 : 00

Raha avy namarana ny taona litorjikan'ny Fiangonana isika tamin'ny heriny androany, izay nomarihana tamin'ny fetin'i Kristy Mpanjaka, dia misantatra indray ny taom-baovaon'ny Eglizy sady anombohana ny alahady voalohany amin'ny Fiavina.

Raha ny andavan'androm-pianan'ny olona no jerena dia ilay fetin'ny Noely no efa manangasanga sahady. Tsikaritra izany ombieny ombieny, na amin'ny hira mifandraika amin'izany alefan'ny haino aman-jery, na ireo karazana kilalao maro samihafa izay mirentirenty eny an-tsena, na ny vatomamy izay amidy mitobaka etsy sy eroa. Fanamarihana ivelany fotsiny ireny.

  • Izay ve anefa no tokony ho voalohan-daharaha?
  • Sao dia ny fotoam-bavaka sy ny fombafomba ary ny litorjia masina no tokony homanina tsara? Ka hemelombelona fanantenana ary hampibebaka fanahy.

Raha miteny tokoa ny Evanjely androany hoe "mivonòna", moa ve tsy ny fo amam-panahy no zava-dehibe indrindra homanina? Ny Mpamonjy mantsy no tonga ka hamangy sy hamonjy antsika. Rehefa tonga io andro malaza io dia tsy ny akanjo na ny kiraro vaovao, na ny sakafo be miavaka izy handaniana vola be tokoa ny vaindohan-draharaha, fa i Jesoa Mpamonjy ilay teraka. Mba ahoana no fomba handraisantsika sy hiandrasantsika Azy?

Izany hoe: ho avy tokoa Izy, hitsidika sy hamangy antsika. Hamangy ao am-po, eo anivon'ny tokantrano. Tapaho ny hevitra àry dieny izao: ovao ny famindra, ovao ny toetra. Omano tsara ny làlan-kombany. Ny fitaovana hitaona antsika amin'izany dia ny Sakramenta sy ny Tenin'Andriamanitra.

Nomen'ny Fiangonana herinandro efatra isika mianakavy, handraisana sy hikolokoloana ary hivelomana amin'izany, satria raha izany no tanteraka dia efa misantatra sahady ilay fianam-pifaliana any an-koatra any isika hovonjen'Ilay Mpamonjy.

Misaotra Anao izahay Jesoa Andriamanitra, izay Mesia ho avy mba hanavotra anay sy hitondra hafaliana ho anay. Mba ho vonona mandrakariva anie izahay tsirairay avy, tsy hanao ambanin-javatra ny fiainam-panahy, fa matoky manana Anao hikolokolo sy hikarakary ny fiainam-panahinay ho fandraisanay Anao amim-pitiavana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...