18 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)

Ry kristianina havana; nohenointsika tamin’ny Evanjely teo i Jesoa mampianatra ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Amin’ny karazana fitiavana rehetra manko dia ny fifankatiavan’ny mpivady ihany no Sakramenta satria nataon’Andriamanitra ho famantarana ny fitiavany ny vahoakany sy ny fifankatiavan’i Kristy sy ny Eglizy. Nomen’i Jesoa mazava ny lalàna mifehy ny fanambadiana: tokana ary tsy azo ravana, izany hoe lahy iray sy vavy iray ary mandra-pahafaty. Lalàna nataon’Andriamanitra izay ka tsy azon’olombelona vahana.

Na nisy aza tranga manokana mety nandraisana fepetra manokana, dia tsy mahafoana ny maha tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana akory izany. Natao hohajaina manko ny olona fa tsy natao hohitsakitsahina na sanatria hatao fitaovana hakana fahafinaretana fotsiny. Lalana mahasambatra nosoritan’Andriamanitra hahavonjy ny olona ny fanambadiana fa tsy enta-mavesatra.

Tsy hoe rehefa henjana ny lalànan’ny fanambadiana dia ialana; aoka horaisina amin’ny maha fiantsoan’Andriamanitra azy. Aoka koa hotsaroana fa misy fepetra daholo ny fiainana rehetra, samy misy zavatra takina aminy avy ny safidy. Tsy tahotra ny hanambady na sanatria voadonan’ny fiainana araka ny fanadroadroan’ny sasany ny hanokanan-tena. Fihatsaram-belatsihy raha izany no izy; fa aoka ho tena noho ny fitiavana an’Andriamanitra irery ny antony.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...