12 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)

Ny Evanjely anio dia mifanaraka amin’ny fitantarana ny fiovan’ny Tompo tarehy teny an-tendrombohitra. Ny mpianatra tsy niaraka tamin'i Jesoa teny amin’ny tendrombohitra avo fa tafasaraka taminy, ary tamin’izany no nitondran’ity lehilahy iray ny zanany voan’ny androbe, azon’ny demony marenina sy moana araka ny hita ao amin'i Marka 9, 17-25, saingy tsy nahasitrana azy izy ireo. Lazain’i Jesoa fa tsy fahampian’ny finoana no tsy nahavitan’ny mpianatra izany. Eto dia afaka manao fandalinana hafa koa isika mahakasika ny finoana: taranaka tsy mino sy ratsy fanahy mifanohitra amin’ny toetra naharian’Andriamanitra azy. Tahaka ny zaza tsy mendrika, tsy nahay nandray ny fitiavan’ny tompony (Det 32, 5), tsy ny rain’ny zaza izay lazain'i Marka fa nohadihadian'i Jesoa tsara mikasika ny aretin’ny zanany no hitenenan'i Jesoa fa ny mpianany. Ry kely finoana nahoana no misalasala ianao? (Mt 14, 31), ianareo koa ve mbola tsy mahalala ihany? (Mt 15, 16) Mialà amiko ry satana manafintohina ahy ianao (Mt 16, 23). Ary eto dia hoe mandrapa-hoviana no handeferako aminareo? (Fanisana 17, 27) mampahatsiaro ny tenin’ny Tompo tamin’ilay vahoaka mafy hatoka tsy nety nivily tamin’ny lalany mba hihaino ny tenin’ny Tompony. Ny tsy finoana araka izany ho an’ny mpianatra dia vokatry hy tsy fahaizana mihaino ilay zanaka malala ankasitrahan’ny Ray, ka izay tsy manana finoana tahaka ny voatsinampy dia tsy afaka hanao na inona na inona.

Izay tsy mahafoy izay hananany eny fa na dia zavatra kely monja aza, dia tsy afaka ny hamokatra ao amin’ny fajakan’ny lanitra. Ny finoana na mitombo na maty. Tsy ampy ny finoan’ny mpianatrra, saingy antsoiny mba hitombo hatrany. Ho an’izay manam-pinoana no afaka hamindra io toerana io. Tsy ny tendrombohitra rehetra anefa no azon’izay manam-pinoana hafindra, fa ilay tendrombohitra niovan'i Jesoa tarehy ka ahafahan’ny rehetrra maniry ho mpianany mibanjina marina tokoa ny tavany ka hiverenan’izy ireo koa hamirapiratra ka tsy misy tsy ho azony atao, satria hiara-midina amin’izy Tompo izy ireo. Amin’izany ny mpiantra no afaka hilaza toa an'i Masindahy Paoly hoe efako ny zavatra rehetra miaraka amin’ilay mankahery ahy (Fil 4, 13).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...