29 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:
‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’
‘Ny fahavaloko no nanao izany‘, hoy ny navaliny.
‘Tianao va ny handehananay hiava azy?‘ hoy ireo mpanompony taminy.
‘Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana;
ary angony ho any an-tsompitra ny vary’.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...