18 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Ry kristianina havana! Voalazantsika teto omaly fa anisan’ny fomba atoron’i Jesoa antsika entina manamafy ny fandraisana ny Teniny ny fahaizantsika mandray azy na mandray ireo hirahiny aty amintsika ary koa ny mandray ireo madinika amin’ny anarany. Mahazo ny valisoan’ny Mpaminany hoy Izy izay mandray ny mpaminany. Tsy ho very na oviana na oviana ny soa ataontsika amin’ireny olon’Andriamanitra ireny satria “ny soa atao levenam-bola” araka ny ohabolan-drazantsika. Anisan’ny tanjon’ny fitoriana ataon’ireo iraka ny fampibebahana antsika, ny fampibebahana ny olona rehetra; ary miseho amin’ny endrika maro izany fibebahana izany araka ny voalazantsika omaly hoe mitaky fepetra. Ny fanarahana ireo fepetra ireo no fibebahana tsara indrindra.

Fa misy anefa olona tsy mba taitra na tsy miraharaha mihitsy aza amin’ireo antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana ireo. Misy dia zatra ny lalan-dririnina eo amin’ny fiainana ka mandeha ho azy ny zavatra rehetra. Misy ireo teren’ny zava-misy amin’ny fiainana ka adino ny fisian’ireny antso ho amin’ny fibebahana isan-karazany ireny. Izany moa ilay nataon’i Jesoa fanoharana tamin’ny mpianany momba ny fiantefan’ny Teniny any amin’ny olona tsirairay avy, izay samy manana ny azy ary misy fahavalo maro isan-karazany manakana na manembatsembana. Ny demony koa anie tsy hipetrapetra-potsiny e. Izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa malahelo eto ka miteny mafy ireo tanàna nolalovany ka nanaovany fahagaga, manamafy ny fitoriana ataony nefa toa tsy mampihetsi-bolomaso azy ireo akory izany ary tsy mampibebaka azy ireo akory. Voalazantsika fa izay mandray ny mpamimany dia mahazo ny valisoan’ny mpaminany, izany hoe mahazo ny tso-dranon’ny mpaminany. Fa aza adinoina fa rehefa ireny mpaminany ireny koa no malahelo ka miteny mafy, toa manozona, tahaka izao ataon’i Jesoa izao dia tena loza mihantona araka ny ohabolan-drazantsika, satria Andriamanitra mihitsy no malahelo fa tsy raisintsika ny fahasoavana atosany amintsika miantso antsika hibebaka.

Ry havana, aza atao mandalo fotsiny ireny ezaka rehetra ataon’ny Eglizy amin’ny alalan’ireo solon-tenany tonga any amintsika any miantso sy mitaona antsika handray ny Tenin’Andriamanitra ary hibebaka, fa sao dia ny alahelo tahaka an’izao an’i Jesoa izao no mahazo antsika ka tsy ho zakantsika. Manginy fotsiny ny fahaverezana, dia ny fahafatesana mandrakizay ho antsika raha tojo an’izany isika. Mampandria sofina hatrany amin’ny Tenin’Andriamanitra miantefa amitsika sy ny antso ataon’ireo solontenan’i Kristy miantso antsika hibebaka mba handraisantsika ny valisoan’ny Mpaminany.

Jesoa Tompo ô! Matahotra ny fahafatesana izahay. Tsy ny fahafaesan’ny vatana fotsiny fa indrindra ny fahafatesana mandrakizay, koa enga anie ny fahazotoanay mandray ny Teninao isan’andro ary miaina azy hanova ny fiainanay ka hanatanterahanay ny fibebahana iantsoanao anay matetika mba ho antoky ny fiainana mandrakizay ho anay. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...