17 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)

Ry kristianina havana! Ity Evanjely nentina tamintsika teo ity dia Evanjely efa naroson’ny Eglizy nodinihintsika tamin’ny alahady tsotra faha-13 mandavan-taona. Tsy sanatria akory handiso fanantenana antsika i Jesoa raha milaza fa tsy hitondra fiadanana Izy fa fampisarahana aza, nefa vao teraka izy dia izay fiadanana izay no nantsoin’ireo Anjely ho antsika ary namafisin’i Jesoa tamin’izy nitsangana ho velona ka niseho tamin’ireo mpianany. Nilaza isika omaly fa ny hampamokatra ny Teniny amintsika no irìn’Andriamanitra ka raha tena tanteraka tokoa izany dia mazana fa izay fisarahana izany no hita. Raha tena ankamamiantsika mihoatra noho ny hafa tokoa manko Andriamanitra sy Jesoa dia mazava ho azy fa ankatoavintsika ny Teniny ka ampiharintsika eo amin’ny fiainana, tahaka antsika mifantoka amin’io fitaovana kely nomerika eo ambany masontsika io indraindray, dia toa adinontsika ny manodidina antsika. Izay no lazain’i Jesoa hoe toa fampisarahana aza. Marani-daniroa izany tenin’i Jesoa izany ka tokony ho tandremantsika fatratra. Misy fomba roa tokoa manko ampitain’i Jesoa amintsika amin’io Evanjely io entintsika mampihatra ny Teniny amin’ny fiainantsika.

Voalohany dia ny fandraisana an’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika, izay manamafy ny fandraisana ny Teniny efa voalazantsika teo ambony. Anisan’ny fandraisana olona iray manko ny fankatoavana ny teny na ho mora izany na ho sarotra ho anao. “Izay mandray anareo mandray ahy, hoy i Jesoa ary mandray izay naniraka ahy”, izany hoe mandray ny Ray izany. Ao amin’ireo rehetra iraka ao amin’ny Eglizy no hitoeran’i Jesoa ka hanasany antsika hazoto handray azy ary hanao soa azy mba hahazo tso-drano mahasoa araka ny ilazany azy hoe valisoan’ny Mpaminany. Fa etsy an-danin’izany koa ireo mahantra sy ireo izay toa ahiliky ny fiaraha-monina. Ireo no madinika hanasan’i Jesoa antsika ho raisina ary hanaovantsika soa. Tsy ho very valisoa isika raha manao soa ireny, hoy i Jesoa : ny tanjona ho antsika moa dia ny lanitra izay hiafarantsika.

Faharoa dia ny fanarahana Azy, ka io fanarahana io dia mitaky fepetra fa tsy manaraka be fahatany na manara-driandrano fotsiny. Ekena fa ny kristianina vita batemy rehetra no manaraka an’i Kristy fa izay mahafeno ireto fepetra ireto no tena mpianany, dia ny fitiavana azy ambony noho ny fitiavana ny hafa. Io moa ilay didim-pitiavana ambarany hoe tia an’Andriamanitra amin’ny fo, ny saina, ny fanahy ary ny hery rehetra. Tsy hoe hanaraka ara-bakiteny io volazany io isika ka hankahala ny ray aman-dreny na ny havana fa ambonin’ireo no tokony hitiavantsika azy. Eo koa ny fitondrana ny hazofijaliana izay famataram-pamonjena ho antsika. Tsy misy famonjena raha tsy misy ny hazofijaliana, ary santatra sy fitaratra ary fianatra ho antsika amin’izany i Jesoa. Farany dia ny fahafoizana, eny fa na dia ny aina aza. Maro ny zavatra azontsika hafoy manamafy io fitiavana azy sy fitondrana ny hazofijaliana io : ny andro, ny havana, ny fananana, ny fotoana, ny tsara indrindra any amintsika, ny aina aza. Mahafoiza àry isika.

Jesoa Tompo ô! Tsy mora ny mandray sy miaina ny Teninao sy ny fampianaranao ary ny manatanteraka azy eo amin’ny fiainana, fa mitaky hery sy finiavana ary fahafoizana amin’ny lafiny rehetra aminay, koa omeo hery hatrany izahay ho entinay miaina ny Teninao. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...