14 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)

Tsy mora ny manara-dia an'i Jesoa ka dia efa lazainy mialoha amin’ny mpianany sy izay mbola hanaraka Azy ny mety hanjo sy ny sedra ho diavina. Ity tenin'i Kristy ity dia tanteraka tao aorian’ny fitsanganany ho velona ka nanenjehan’ireo Jody sy ny Sanedrina an’ireo kristianina izay nitory ny Evanjely. Ary mbola nampiany izany fa ny sokajin’olona rehatra mihitsy no mety hankahala sy hanenjika ary hamono mihitsy aza: ny manam-pahefana sy ny namana, eny na ny havana akaiky aza. Mila mahafoy ny aina araka izany no tiany ambara, ary tsy tokony atao hampatahotra izany na hampihorohoro antsika, satria dia ambarany mandrakariva fa miara-dalana amintsika ny Fanahy Masina. Anisan’ny lalana mitondra antsika mankany amin’ny fiainana mandraizay mantsy izany, ary efa nasehon’ireo Martiry amin’ny finoana izany.

Izy Fanahy Masina tokoa no mankahery antsika amin’ny asa fitoriana sy ireo olana diavina ao anatin’izany. Ilaina tokoa mantsy ao anatin’izany ny fiaretana fijaliana sy ny faharetana mba hahazoan’ny olona rehatra ny Vaovao Mahafaly. Ny famonjena nampanantenaina mantsy dia tsy hoe akory ny fialana amin’ny fanenjehana na ny fankahalana fa famonjena ao aorian’izao fiainana izao. Tsara ny manamarika fa iraka voalohany ataontsika dia ny mitory ny Evanjely fa tsy hoe ny hiaritra fahoriana akory.

Tompo ô, ampio hatrany izahay mba hotarihan’ny Fanahy Masina.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...