13 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)

Nanome hafatra mafonja eto i Jesoa amin’ny fitoriana izay atao izay midika fa mitovy amin’ny iraka izay ataony ihany no tokony hatao. Mampiseho àry Izy ny toe po amam panahy tokony hanana eo am-panatanterahana ny iraka, dia tsy inona izany fa ny fizarana sy fanomezana maimaim-poana ho an’ny olona. Ny fitoriana ny Evanjely sy ny fanasitranana izay atao dia tsy tokony hiandrasana tambiny mihitsy ary tsy tokony ho variana mihitsy hiahy ny ara-nofo, satria Andriamanitra eo hiahy mandrakariva. Fanomezana maimaim-poana avy amin'i Krsity tokoa mantsy ireny. Ireo olona izay vonona hitory ihany koa dia tokony ho olon’ny fiadanana ka afaka hizara izany tsara. Ho an’ny Jody mantsy ny fitenenana “fiadanana ho azy” dia efa famonjena ho azy ireo sahady no tso-drano mihitsy eo amin’ny fiainany manontolo. Ary tsy izy ireo ihany no mila izany fa na dia isika kristianina ihany koa aza. Tsara ny manamarika fa ny fiadanana dia tsy hoe tsy fisian’ny fijaliana na fahoriana akory fa hoe mahatsiaro sambatra miaraka amin'i Kristy.

Ankehitriny àry dia tsy ampy intsony ny teny izay lazaina amin’ny iraka izay atao fa mila oha-piaianana mifanaraka an’izany. Tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainana izay zavatra torina. Tsy mora araka izany ny mitory ny Evanjely satria dia ny tena aloha no mila resy lahatra amin’ny fomba hiainana Azy, izay vao afaka mizara ho an’ny hafa.

Tompo ô, ampio izahay mba hijoro ho vavolombelonao amin’ny fitoriana ny Evanjelinao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...