10 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)

Fanomezan’Andriamanitra ho antsika ny Finoana, ary io no antoky ny famonjena ho antsika olombelona. Ny Evanjely àry eto, dia maneho ny fifandraisana eo amin’ny Finoana sy ny fahasitranana. Ny lehiben’ny Sinagoga no nangataka an’i Jesoa mba hamelona ny zanany vavy sy ilay vehivavy nitsi-drà nandritra ny taona maromaro. Sarobidy ho antsika olombelona tokoa ny aina ka manao ny fomba rehetra mba hahavelona an’izany, ka atao izay hampanalavirina amin’ny aretina tsy ho any amin’ny fahafatesana. Fa tokony hitodika aminy mandrakariva isika, tsy hoe rehefa tojo tsy fahasalamana ihany fa na dia salama ihany koa aza. Ny Eglizy dia manana ny Sakramenta izay fanome ho an’ny marary mba hahazoana fanamaivanana sy fahasalamana amin’ny aretina sy ny fahosana. Ary na tsy sitrana aza dia manan-kery hizakana ny aretina, satria manakambana ny fijalian’ny tenany amin’ny an’i Kristy.

I Kristy àry no loharanon’aina ho antsika, ka mila miaina ny finoana isika manoloana izay mety ho tahotra sy fahoriana. Izy ihany no afaka manasitrana antsika, tsy ny ara-batana fotsiny fa indrindra ny ara-panahy. Ny fanasitranana ataony mantsy dia tsy mijanona eo amin’ny ara-batana fotsiny fa mampihavana tanteraka tokoa amin’Izy Andriamanitra. Izy irery araka izany no mpamonjy antsika. Tian’Andriamanitra ny hahavelona antsika, tsy tiany ho faty ao anatin’ny fahotana isika, ka irìny mba hihavana mandrakariva miaraka Aminy. Ho antsika kristianina àry, dia tsy miala amintsika ny fiainana amin’ny andro hahafatesana fa miova makany amin’ny fiainana mandrakizay.

Tompo ô, mino izahay fa Ianao no hany tokana Mpamonjy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...