7 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Rentsika teo ny fanasan’i Jesoa an’i Matio hanaraka Azy sy ny fandaozan’itsy farany ny asany sy ny hafaliany nanasa an’i Jesoa ho ao aminy, hiara-misakao ho fankasitrahany Azy. Ary tsy vitan’izany ihany fa ny niantson’i Matio koa ireto mpiray asa aminy mba hiara-paly aminy ao amin’ny fanasana.

Manohy io antso io amintsika i Jesoa ankehitriny, mba hanarahantsika Azy. Miantso antsika araka ny toetra sy ny asa sahanintsika Izy. Fa rahefa mamaly sy manaiky hanaraka Azy kosa isika dia tsy maintsy mahafoy ireo ironan’ny fontsika tsy araka ny tokony ho izy, tsy maintsy manova ireo toetra sy fomba ratsy fanao mahazatra. Mila maka tahaka an’i Matio mahafoy ny asa, mahafoy tena ary sahy hanova famindra. Fa izany no anehoana marina fa i Kristy tokoa no arahintsika dia, ary izay nampianariny no tanterahana. Araka ny tenin’i Masindahy Ignace d’Antioche hoe: “Ny tena kristianina, ny tena mamaly ny antson’i Kristy dia ireo tsy manao ny tenany ho zavatra fa manokany izany sy manolotra izany ho an’Andriamanitra”.

Miantso antsika mba hanavao ny fiainana sy hanova famindra i Jesoa isan’andro. Anjarantsika ny manontany tena, amin’ireo vondron’olona misy antsika: anisan’ireo mihevi-tena ho marina sy lavorary ve, sa anisan’ireo mahatsapa tena ho mpanota?

Jesoa ô, mandalova mandrakariva aty aminay, domy ny fonay hahatsapa fa osa sy malemy izahay ka mila Anao isan’andro vaky mba hanasitrana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...