3 jolay 2023 — Masindahy Tômà, Apôstôly — Fety — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)

Mankalaza an’i Masindahy Thomas Apôstôly ny Fiangonana anio. Thomas, ilay fantatra amin’ny hoe “tsy mino raha tsy mahita”, kanefa ilay Apôstôly tena mampianatra antsika ny tena finoana marina an’i Jesoa Kristy tafantsangan-ko velona. Ny mino mantsy dia tsy mihanona fotsiny amin’ny izay noraisina na izay nambara sy toriana taminy, na mialokaloka ao ambadiky ny finoan’ny hafa: ray aman-dreny, dadabe sy bebe, fa miezaka mandrakariva ny handalina sy hampitombo azy bebe kokoa, mba hanana ny hoe: fiainam-panahy manokana. Miezaka ny hanavao ny tena sy ny fiainana manontolo. I Masindahy Thomas, henontsika tamin’ny Evanjely teo, fa na dia nanambarana ny fitsanganan’i Kristy ho velona aza, dia naniry ny hanana ny azy manokana; naniry hahita an’i Kristy, handray Azy. Izany hoe: te hanana fifandraisana manokana amin’i Kristy tafantsangan-ko velona izy. Ary ireo famatarana teny amin’i Jesoa: tànana loaky ny fantsika, fo voalefona, mbola hitany teny Aminy no maneho ny maha Tompo sy Andriamanitra Azy. Finoana nampitain’i Masindahy Thomas amintsika izany. Ary fampianarana ho antsika mino ihany koa mba handehanantsika lavidavitra kokoa.

Aoka ho finoana lalim-paka no hihaonantsika amin’i Kristy, handraisantsika Azy miteny amintsika isan’andro, handraisantsika ny Vatany masina mba hisy fihavaozana ny fiainantsika manontolo. Ary aza manao an’Andriamanitra ho mpanatanteraka izay tadiavitsika sy angatahantsika Aminy fotsiny koa e. Ny hitady porofo sy famantarana vao hanatona Azy, vao hivavaka sy hanaraka izay itondrany antsika. Fa matokia Azy, mahareta amin’ny finoana. Amin’izay dia ho tanteraka ao amintsika ilay tenin’i Kristy hoe: “Sambatra kokoa izay tsy nahita nefa mino”.

Tompoko sy Andriamanitro no tenim-pinoana nataon’i Thomas tamin’i Jesoa. Teny mamintina ny finoany an’i Jesoa, teny manambara fa Andriamanitra i Jesoa, naneho ny heriny sy ny fahefana mba hanafaka antsika amin’ny herin’ny fahafatesana, ary teny nanehoany fahavononana hizotra amin’ny lalan’ny finoana, tsy hivadika amin’i Kristy hatramin’ny farany. Meteza haka tahaka Azy isika, ary mitalahoa vavaka aminy mba hiainantsika ny tena finoana, fomba hanavaozan’Andriamanitra antsika ho voaary vaovao.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...