29 jona 2023 — Masindahy Piera sy Paoly, Apôstôly — Fankalazana manetriketrika — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Mifampiarahaba isika amin’izao ankalazana manetriketrika an’i Masindahy Piera sy i Masindahy Paoly izao. Fototra iray iorenan’i Eglizin’i Kristy ity sombin’Evanjely ity, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina. Samy mitady an’Andriamanitra ny ankamaroantsika fa tsy mitovy ny fomba itadiavana Azy. Ho antsika kristianina izao dia Andriamanitra tokana olona telo Izy na koa hoe: telo izay iray.

Eto amin’ity Evanjely ity izao, manontany ny mpianany i Kristy, amin’ny fahalalan’ny olona Azy sy ny fahalalan’ireto mpianany Azy koa. Marihina eto fa tsy ny fiheveran’ny olona akory dia voatery ho marina avokoa. Toa antsika ihany ilay milaza hoe: “hoy ny sasany” nefa rehefa hadihadiana dia tsy fantatra hoe iza ity sasany ity fa samy miala bala avokoa. Koa ny marina araka izany tsy izay lazain’ny sasany fa ny marina dia marina ihany, tsy misy marimaritra iraisana fa tokana ihany. Nahalala sy nanambara ampahibemaso i Masindahy Piera fa Zanak’Andriamanitra velona i Kristy, izay miresaka aminy eo. Ary nomarihan’i Jesoa aza fa tsy avy amin’olombelona ny valintenin’i Piera fa avy amin’Andriamanitra. Finoana latsa-paka ny an’i Piera. Modely ho antsika izy amin’izany. Tsy ampy anefa ny mino fa mitaky adidy sy andraikitra izany. Eto izao i Piera no nanorenan’i Kristy ny Egliziny. Tsara tsipihina etoana fa tsy an’i Piera ny Eglizy miorina eto fa Azy Kristy Andriamanitra. Koa asakasak’ireny manao hoe “fiangonako” ireny. Tsy an’ny Eveka na ny Pretra na Filan-kevitra na an’ny Lahika, fa an’i Kristy. Fa isika rehetra dia mandray anjara amin’ny fanorenana io Egliziny io avokoa amin’ny anjara andraikitra manandrify antsika tsirairay avy. Koa tsy mety ireny hoe: “Fiangonanay”, “anay io”, “an’ny razambenay io”. Tsia, fa Azy Kristy! Ny Egliziny izany dia izay naoriny.

Tsara antitraterinia eto fa i Piera, vatolampy no nanorenany ny Egliziny, fa tsy tamin-javatra hafa ka azo antoka fa mafy orina, “ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy”. Teniny izany ka inoantsika sy ankatoavintsika. Izao anefa: raha tsy mahay mipetraka tsara ambony vatolampy dia mora mianjera; izany hoe raha milingilingy eny amboniny eny isika dia ho mora midaraboka, araka ny hoe: “izay milingilingy no ho potraka”, izay manao tan-tsy vinitra no hidaraboka, izay maka sisiny no ho mora fanina, fa izay eo afovoany tsy hihontsona na inona mitranga na inona miseho. Ka aiza ho aiza no misy antsika. Fa hatramin’izay roa arivo taona niorenan’ny Eglizin’i Kristy izay, efa nandalo sedra mafy matetika ihany izy; kanefa mbola io eo foana satria miara-dalana aminy mandrakariva ny mpanorina azy, fa sady olombelona feno no Andriamanitra feno koa, ka tsy hihontsona na hikoro ho rava izany. Matoky tanteraka Azy isika mba tsy hamela azy ho resin’ilay ratsy. Fa na izany aza mila ny vavaka ataontsika mandrakariva ny Eglizin’i Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...