24 jona 2023 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Fankalazana manetriketrika — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra: handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 57-66. 80)

Isaky ny 24 jona ny Eglizy dia mankalaza ny nahaterahan’i Joany Batsista, ilay mpialoha lalana ny Mesia. Tsara marihina fa i Masindahy Joany Batista irery no olomasina ankalazaina ny andro nahaterahany ara-nofo noho ny halehiben’ny asa nankinina taminy, izay mifandray mivantana amin’ny Fahatongavana ho nofo dia i Jesoa Tompon’ny aina.

Famindram-pon’Andriamanitra sy fanomezan’Andriamanitra tokoa i Joany, satria efa antitra tsy tokony hiteraka intsony ireo ray sy reniny vao nanana azy. Hafaliana moa izany ny an’ny fianakaviana rehefa teraka izy. Fetin’ny hafaliana mihitsy anio satria miposaka eo ilay masoandrom-pamonjena. Enim-bolana alohan’ny Noely isika izao.

“Andriamanitra manome fahasoana” no dikan’ny anarana hoe “Joany” ; tena izay tokoa satria sady fahasoavana ho an’ny ray aman-dreniny, efa kivy tsy niteraka izy, no fahasoavana ho an’ny olombelona rehetra satria nanomana handray ny Mesia sy nanolotra Azy rehefa tonga. Anarana tokana tao amin’ny fianakaviana satria anarana natolotr’Andriamanitra sy manambara ny maha izy ilay zaza vao teraka. Noforaina ny zaza satria izay no marika fa isan’ny jody vahoakan’Andriamanitra izy.

Nitoetra tany an’efitra i Joany satria any no toerana ihaonana amin’Andriamanitra araka ny lovan-tsofina jody. Izany hoe nitombo fahendrena sy tena teo ambany fahasoavan’Andriamanitra i Joany. Izany no zatry ny fiainana kristianina : tsy maintsy vonto sy feno an’Andriamanitra aloha vao afaka hitory azy sy hitondra ny olona mankeo. Mila olona Andriamanitra hiantso fibebahana hanatona ny famonjena. Meteza isika ho toa an’i Joany, hitondra ny olona eo amin’Andriamanitra. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...