22 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Fampianarana vaovao momba ny fivavahana ny Evanjely anio. Tohin’ny fampianarana hoe mivavaha mangina fa aza mila dera aman’olona, eto kosa indray aza be resaka, aza maro teny. Mahita hatramin’izay lalina indrindra Andriamanitra ka tsy mila resa-be mandangolango. Izao manko : Ray be fitiavana Andriamanitra ka mahalala izay ilain’ny zanany ara-batana sy ara-panahy. Tsy hoe noho isika mahay mandaha-teny sy lava resaka dia resy lahatra Andriamanitra ka mamaly antsika. Henoim-bavaka isika, mahazo valim-bavaka isika satria be fitiavana Andriamanitra. Noho ny fitiavan’Andriamanitra antsika dia henoiny vavaka isika, valiany antso isika.

Ny vavaka nampianarin’ny Tompo, vavaka niloaka teo am-bavan’i Jesoa mihitsy, modelin’ny vavaka kristianina. Fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny voalohany ; aoka ialana mihitsy ny vavaka toy ny kabarin-tsaka ka tsy mahalala afa-tsy ny “omeo” ; ny momba an’Andriamanitra, ny fanamasinana ny anarany, ny fanjakany, ny sitra-pony. Izany no famonjena. Tsy firariana fe firariana ireo vavaka ireo fa atao toy ny drafi-piainana. Omena ny toerana voalohany sy lehibe indrindra Andriamanitra.

Manantitrantitra momba ny famelan-keloka i Jesoa : mifandray mivantana ny famelana azontsika sy ny famelana omentsika ; tsy misy mendrika fa samy mpanota daholo ka mila mifamela. Raha mamela heloka anefa isika tsy midika fa manan-jo hitaky antoka amin’Andriamanitra hoe “efa namela aho izay iny ka mba avelao koa, ry Tompo” ; tsy isika no andeha hanome lesona an’Andriamanitra. Mamela antsika sy mamonjy antsika maimaim-poana Andriamanitra satria tia antsika Izy, mora fo sy be fitiavana Izy. Isika mamela heloka dia midika fa mamokatra eo amin’ny fiainantsika ny famindram-po sy famelan-keloka azontsika tamin’Andriamanitra. Fitiavan-tena tafahoatra ny mangataka nefa tsy mba mahalala manome. Harovan’Andriamanitra tsy ho latsaka amin’ny fahotana anie isika. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...