20 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Fampianaran’i Jesoa ny hoe tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka, izany hoe hameno ny banga na hanitsy izay nadika vilana. Ity voalazan’ny Evanjely anio ity izao dia isan’ireo fandikana vilana. Ny voararan’ny lalàna dia ny mifandray tendro amin’ny tsy mpino satria mampaloto izany ; fa nivadika fankahalana mihitsy ilay hevitra satria tafahoatra loatra ny fampiharana azy. Eo indrindra i Jesoa no mitondra fanitsiana sy fampianarana vaovao lehibe : tiavo ny fahavalonareo.

Ity fitiavana ny fahavalo ity dia anisan’ny fampianarana vaovao tanteraka mihitsy nentin’i Jesoa. Ny lalàna taloha manko dia manilika izay tsy havana, tsy fianakaviana, izay tsy iray finoana amin’ny tena. Tiavo ny fahavalo sy izay mankahala ary izay manendrikendrika, hoy i Jesoa, izany hoe aza mitana alahelo, aza mamaly ratsy, aza manompa anakampo akory fa mivavaha ho azy, ankino amin’Andriamanitra, dia ilay Andrimanitra tia tsy manavaka.

Tsiahivintsika eto ny tenin’ny Papa Fransoa indray andro : “aza maika mandray olona ho fahavalo, hoy izy, sao dia olona tsy nanao ratsy antsika akory na tratry ny tsy fidiny ka nahavoa tsy nahy dia ankahalaina ; sao koa dia vokatry ataontsika ihany, sao dia isika no diso nahatonga ny olana”. Teny enti-mandinika avokoa izany fa andao isika hanao ny tsara hatrany fa izany no antoky ny fiadanana ; izany no fahamasinana ; izany no famonjena ; izany no fanjakan’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...