19 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona —  Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Ry kristianina havana, mitondra hevitry ny lalàna vaovao i Jesoa amin’ny Evanjely, toriteny teo an-tendrombohitra. Tsy ampy hahamasina manko ny lalàna taloha satria ilay lafiny maha olombelona fotsiny no lazainy fa tsy mahatakatra ny hevitr’Andriamanitra. Eto izao isika dia mahita ilay antsoina hoe : “Loi de Talion” na “Lalàna valin-kitsaka”, lalàna mandidy hamaly mitovy amin’izay ratsy nataon’olona tamin’ny tena. Ny tanjona tamin’izany angamba dia mba tsy hisy fitsara-mitanila, tsy hisy tombo sy ala na mety koa hampitandrina tsy hanao ratsy. Mifanimba ihany anefa no vokatr’izany ka ahitsin’i Jesoa.

Tsy miaro ny mpanao ratsy akory i Jesoa ; tsy manome vahana ny tsy maty manota akory Izy fa mijery ny soa indrindra dia ny fiadanana araka an’Andriamanitra. Rahoviana tokoa moa vao hifarana ny ratsy raha hifamaly faty eto foana ? Tsy hisy zava-banona fa hihodinkodina anaty faribolana tsy hita laniny eto ; ary tena izany no mitranga matetika. Miantso ny mpianany sy ireo mino azy i Jesoa hanatsahatra izany toe-javatra sy hevi-diso mihodinkodina am-pitoerana izany. Aoka izay nanao ratsy anao ihany no ho mpanao ratsy fa tsy ianao… Aza manao ratsy olona na inona na inona antony. Manaova soa hatrany ; aza mijanona amin’izay fitia mifamaly sy atero ka alao, fa manaova soa mihoatra fa izany no sitra-pon’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...