13 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...