3 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Teny miverimberina eto ny resaka hoe “fahafena”. Ary tsara ny handinihantsika an’io teny io satria be mpampiasa amin’izao, ary indraindray aza manjavozavo ny fahazahoana azy io ankehitriny.

Tsy mifanalavitra amin’ny fomba fijerintsika manoloana an’ity teny ity ny fomba fijerin’ireto olona mametra-panontaniana amin’i Jesoa ireto. Ho azy ireo, ny fahefana dia manambara hery, fangejana, fifehezana, fanerena olona hanaraka làlana. Fa “fiaraha-miray petsapetsa” amin’ny hafa kosa… na fitovian’endrika amin’ny hafa… no azo amaritana ny fahefana araka ny hevitr’i Jesoa Kristy. Fitovian’endrika amin’Andriamanitra, izay ahitana fifandraisam-pitiavana. Tsy mahagaga raha ampahatsiahivin’i Jesoa ilay batemin’i Joany Batista, satria tao no nahafantaran’ny nanatri-maso ny fihaonany amin’Andriamanitra Rainy, tao no nahenoany faniriany hiara-monina amin’Andriamanitra sy isika olombelona.

Lazain’i Jesoa eto fa tsy afa-misaraka amin’ny fitiavana ny fahefana, fa tsy fizakana amin’olona iray akory. Fitiavana midika hoe fanompoana ny hafa. Toy izany no nataon’i Joany Batista, toy izany koa no nataon’i Jesoa. Tsy mampiavaka amin’ny hafa na oviana na oviana na koa fipetrahana eo an-tampon-dohan’ny hafa ny atao hoe fahefana fa ny fanompoana ny hafa am-pitiavana ; fiaraha-mipetsapetsa aminy eo amin’ny fiainany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...