1 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Ny fihaonan’i Jesoa tamin’ny Bartimé indray no taterin’i Evanjely amintsika anio ; fihaonana hafa kely, sady fihaonana mitondra fiovana amin’ny fiainany. Io làlana nodiavin’ity jamba ity no asainy holalovantsika ihany koa raha te-hiova bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika isika. Niainga avy amin’ny fahatsapana ny kilemany ity jamba ity. Kilema izay hahatonga azy tsy hahita ny hitan’ny olona, kilema mampisintaka azy amin’ny fiaraha-monina. Nekeny ny fetrany. Betsaka amintsika no tsy manaiky ny fetrantsika ; nanampy antsika amin’ny fandinihana an’izany ny valan’aretina Covid niainantsika teo, valan’aretina nampahatsiahy fa mana-petra isika olombelona.

Manoloana ny halemena indrindra no nitadiavan’ity jamba fanampiana avy amin’ny hafa. Tsy ampy azy fotsiny ny fitserana eo amoron-dàlana, na koa fiantran’olona azy marain-tsy hariva fa te hitovy amin’ny rehetra izy, te hiasa izy fa mbola matanjaka, ka ny fanasatrinana no tiany bebe kokoa fa tsy ny hivelona amin’ny fiantrana fotsiny. Tsapany eto, fa tena ilaina Andriamanitra ary niaiky izy fa Andriamanitra irery no afaka hamaly an’izany hetahetany izany. Tsy nety nangina izy manoloana ireo karazan’olona niezaka hampandefitra ny hambom-pony, hampandefitra ny faniriany, fa vao mainka nampakatra ny feony bebe kokoa ho henon’Andriamanitra, ary tsy nahamenatra azy izany ; toy ny hoe tsy menatra ny nivavaka teo an-dalambe izy. Nahagaga ny olona ny karazam-pangatahana teto satria, tsy fangatahana mahazatra izay sady ahitana fitalahoana sy fanomezan-tsodrano an’ireo mpanome fa toa fitadiavana fahagagana eo amin’ny fiainany, fikatsahana fahafahana amin’ny fahantrany.

Tian’i Jesoa hofaritan’ity jamba mazava tsara ny zavatra angatahany, raha tena izay marina na mbola te hiova izy. Efa tapa-kevitra ity jamba fa ny fahasitranana no tadiaviny sy irìny fatratra. Faniriana ny hiala ao anatin’ny haizin’ny habadoana, haizin’ny ratsy isan-karazany no tadiaviny ka Andriamanitra irery no mahavita an’izany. Dia izany fahagagana izany tokoa no tanteraka teo amin’ny fiainany. Angataho ny fahasoavan’Andriamanitra, hanampy antsika hikatsaka ny fahiratan’ny masom-pinoantsika fa izany no hahitantsika Azy eo amin’ny fiainana sy hahatsapantsika hafaliana avy nihaona taminy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...