29 mey 2023 — Alatsinainy, Masina Maria Renin'ny Eglizy — Ry Masina Maria Virjiny, ianao no niteraka ny Tompo! Ianao no mampiredareda ao anatinay ny Fanahin'i Jesoa Kristy Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)

Mahatsiaro an’i Masina Maria, Renin’ny Eglizy isika anio, araka ny fanentanana nataon’i Papa François, tamin’ny taona 2018. Fety ankalazaina, aorian’ny fetin’ny Pentekoty, fotoana nahaterahan’ny Eglizy. Maneho toetran-dreny tokoa ny lazain’ny Evanjely antsika anio ; toetra tokony hananan’ny reny na nantsoina ho amin’izany ihany koa : “Nitsangana teo am-pototry ny hazofijaliana namantsihana an-Janany i Masina Maria reniny”. Toetra maneho fahavononana hatramin’ny farany, toetra manambara fa tsy niamboho adidy na oviana na oviana i Masina Maria : teo mandrakariva izy ary fisiana tsy tapaka na oviana na oviana no nahafantarana azy. Nandositra ny mpianatr’i Jesoa fa Maria reniny kosa tsy nanao toa izany. Mahatsiaro an’ireo renim-pianakaviana tsy misaraka velively amin-janany isika anio, mba homen’Andriamanitra valisoa dieny ety an-tany anie izy ireo, toy ny fahitana ny fibebahan’ny zanany, fahombiazan’ny zanany amin’ny atao tsara rehetra.

Nohavaozin’i Masina Maria teo am-pototry ny hazofijaliana ny maha reny azy satria nomen’i Jesoa Zanany andraikitra vaovao izy : “Ravehivavy, indro ny zanakao”. Tsy manam-pahataperana ny maha reny. Mahatsiaro an’ireo renim-pianakaviana, tsy mitandro hasasarana manohy mitaiza ireo zafikeliny isika eto ary mitalaho ny fahasoavan’Andriamanitra ho azy ireo.

Eto toy ny mampianatra antsika i Masina Maria manao hoe : arakaraka ny fijoroanao eo akaikin’ny hazofijaliana no mampahamatotra ny fiantsoan’Andriamanitra antsika amin’ny finoana sy amin’ny maha reny. Fa manolotra sosokevitra mahomby antsika ray aman-dreny, izay mandalo fahasahirana amin’ny fanabeazana ny zanaka ankehitriny ihany koa ity Evanjely ity. Izany hoe arakaraka ny ampiombonana amin’ny fijalian’i Jesoa Kristy ny fijaliantsika amin’ny fanabeazana ny zanaka no hahazoantsika hery sy fanoitra ary hanirahan’i Jesoa antsika ny reniny ho avy hanampy antsika amin’izany asa fanabeazana ankinin’Andriamanitra antsika izany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...