15 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26 — 16, 4)

Ry mpihaino hajaina, rahefa avy nampianatra momba ny fitiavana i Jesoa taorian’ny namoronany ny Eokaristia dia niova indray ny fampianarany amin’ny fanomanana ireto mpianany manoloana ny fankahalana sy ny fanenjehana. Hoy Izy: “Raha nenjehiny aho, dia hoenjehiny koa ianareo” (Jo 15, 20). Nataony izany hoy i Jesoa satria “noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao” (Jo 15,19).

Ry mpihaino hajaina, fantan’i Jesoa ny halementsika ka mba tsy ho tafintohina isika dia nambarany mialoha ny zavatra hiseho.

Ireto ny zavatra hiseho: horoahina amin’ny sinagoga, ho avy ny andro izay hiheveran’izay rehetra hamono anareo (Jo 16,2). Ny anton’izany hoy i Jesoa dia noho ianareo manao fanompoana an’Andriamanitra ary koa tsy misy fantany na ny Ray na ny Izaho (Jo 16,3). Rahefa tonga izany hoy i Jesoa dia mba ho tsaroanareo satria efa nambarako taminareo. Mahalala ny zavatra rehetra i Jesoa amin’ny maha-Andriamanitra Azy, mpaminany. Mampahafantatra mialoha Izy mba hahatsapantsika fa marina izay voalazany mba hinoantsika Azy hatrany. Izany koa nataony mba hahafahantsika mandinika sy mandray safidy ankalalahana na hijanona hanaraka Azy na hitoetra tsy hisaraka aminy na inona hitranga na dia hihatra aman’aina aza. Nisy ihany mantsy no nandao Azy. “Ianareo koa ve mba handeha?”

Olombelona nomen’Andriamanitra safidy malalaka mantsy isika. Mafy amintsika mantsy izany hoe hisaraka amin’ny mahazatra antsika izany tahaka ny hoe hisaraka amin’ny sinagoga sy ny hoe ho faty, raha ho faty aho matesa rahavana, hoy isika.

Nambaran’i Jesoa mialoha izany mba tsy ho tafintohina, mba tsy ho diso fanantenana fa ny tena zava-dehibe dia Izy izay tsy misaraka amintsika fa eo foana fa amin’ny endrika hafa dia ny Fanahy Masina, antsoin’i Jesoa hoe: “Mpanafaka alahelo” na ny “Fanahy fahamarinana”.

Fantatr’i Jesoa ny filantsika satria tamin’Izy teo dia nanampy ny olombelona amin’ny fanafahana maro samihafa ka naniraka ny Fanahy hankahery, indrindra rahefa tojo fahakiviana manoloana ny ady atao amin’ny asan’ny ratsy isan-karazany. Nanome ny fanahy fahamarinana Izy mba hijoro hatramin’ny farany ho vavolombelony isika.

Ry Ray o! Ho tsapanay mandrakariva anie fa rahefa tojo ny sarotra izahay dia hahatsiaro fa eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay nomenao anay, hanampy sy hitantana anay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...