Sabotsy 29 febroary 2020 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32 — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra, fa mamidra fo sy miantra Aho.

0 : 00

Ny fomba niantsoan’i Jesoa an’i Lévi na Matio no tantarain’ny Evanjely eto. I Lévi, anisan’ireo poblikanina ary nosokajian’ny fiaraha-monina fa mpanota izay manana an’io asa tamin’izany. Rehefa nantsoin’i Kristy anefa izy dia tsy nisalasala akory fa tonga dia nanaraka azy na dia azo lazaina fa betsaka  aza ny tombontsoa azony tao.

Noho io fiantsoana hanara-dia an’i Jesoa io no nahatonga an’i Lévi hanao fanasana lehibe ho an’i Jesoa sy ireo poblikana namana ary olona betsaka hafa. Manoloana izay anefa dia tsy nahafaly ireo Farisianina sy ireo mpanora-dalana no nahita fa hoe niara-nihinana amin’ny mpanota i Jesoa. Mazava anefa no nambaran’i Jesoa fa tsy tonga hiantso ny marina Izy fa ny mpanota hibebaka. Eo imason’Andriamanitra  tokoa anie dia mpanota avokoa isika rehetra, ka Izy mihitsy no tonga eo anivontsika sy niara-nonina ary eto ary moa dia niara-nihinana mihitsy  mba  hamonjena antsika  olombelona. Noho izany dia tsy tokony hihevi-tena fa olo-marina mandrakariva isika ka hanonona ny hafa hoe mpanota tahaka nataon’ireo Farisianina sy mpanora-dalana ireto.

Aoka àry isika tsy hihevi-tena hoe tena mpanota aho ka tsy mila ahy intsony Andriamanitra. Tadidio anefa fa noho ny fahotantsika sy ny fahalementsika indrindra no hanatonany antsika. Irin’Andriamanitra àry isika mpanota mba ho voavonjy ka mandritra izao vanim-potoanan'ny karemy izao no tokony hiezahantsika tsikelikely hiady amin’ireo fahotana sy fahazaran-dratsy mpahazo antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...