Zoma 28 febroary 2020 — Zoma manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosratan'i Masindahy Matio 9, 14-15 — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra.

0 : 00

Fanontaniana naka endrika tsikera no nataon’ireo mpianatr’i Joany tamin’i Jesoa mahakasika ny tsy fifadian-kanina ataon’ireo mpianany. Mazava ny navalin’i Jesoa fa hiala ao amin’izy ireo ny mpampakatra, ka amin’izay vao mifady hanina izy ireo.

Ny mpampakatra tiany ho teneniny eto dia Izy tenany ihany, i Jesoa Kristy. Raha mbola eo anivontsika tokoa mantsy Izy, dia tokony hafaliana mandrakariva no hanenika ny fiainantsika. Miara-mifaly aminy, noho izany tsy ilaina ny mifady hanina. Ohatra fotsiny rehefa tonga ny Noely, fankalazana ny fahatongavan’i Kristy, ny Eglizy dia mamporisika antsika handray izany an-kafaliana.

Ankilan’izany anefa, dia misy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eto anivontsika, dia ny zoma masina izany, izay ho diavintsika ao anatin’izao vanim-potoana ny karemy izao. Io no hamporisihan’ny Eglizy antsika izay mpianatr’i Kristy ny hifadiana hanina. Tsaroantsika fa izy Jesoa mihitsy no niaina an’io fifadian-kanina io voalohany nandritry ny 40 andro rehefa nalain’ny demony fanahy tany an’efitra Izy. 40 andro izay mampahatsiahy an’izao vanim-potoana ny Karemy 40 andro izao ihany koa hanomanantsika ny Paka.

Ry kristianina havana, aoka àry mba ho am-pitiavana tokoa no hanatanterahantsika ny fifadian-kanina fa tsy hoe amin’ny maha lalàna azy. Mifady hanina isika mba ho fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ary koa ny mba hananantsika fo vaovao.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...