12 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo
izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”