Talata 25 febroary 2020 — Herinandro fahafito mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 30-37 — Niantso antsika tamin'ny alalan'ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr'i Jesoa Tompontsika.
Nanambara sahady ny tsy maintsy hijaliany sy hahafatesany ary ny fitsanganany ho velona amin’ireo mpianany eto i Jesoa. Eo anatrehan’izay dia toa tsy mampiraika an’ireo mpianatra akory izany fanambaràna izany fa ny maha maika azy ireo dia izay ho lehibe amin’izy ireo.
Ambaran’i Jesoa àry fa raha tsy miova tahaka ny zazakely dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ny zazakely izay fantatsika fa tsy mahalala na inona na inona nefa kosa mbola manana fotoana betsaka hahafantarana zavatra maro. Eo imason’i Jesoa àry dia ny ngeza no midika hoe fanetren-tena. Io toetra io no hahafahantsika miditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Raha te ho lehibe ary isika dia tsy maintsy ny manaiky ho kely tahaka ny zaza. Izany akory tsy midika hoe hanao sain-jaza, fa ny toetra feno fahatsorana eny aminy no alaintsika tahaka. Ny lehibe dia tsy ireo manana fahefana na fahalalana na ihany koa ireo manana vola sy harena fa izay miaina ao anatin’ny fanetren-tena ka manaiky ny maha mpanota eo anatrehan’Andriamanitra satria miankina amin'ny famindram-pony mandrakariva.
Raha te ho lehibe marina tokoa àry isika dia tokony ho vonona hanompo amin’ny fo madio tokoa, izany hoe tsy mitady tombony na voninahitra na toerana voalohany amin’izay asa atao.
Ny tsy fanilikilihantsika olona àry, na lehibe na zazakely dia midika sahady fa fanompoana sy fanetren-tena no entitsika miaraka amin’izy ireo. Ny fandraisantsika azy ireo tokoa dia midika sahady ny fandraisantsika an’Andriamanitra.