5 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Ry kristianina havana ! Miantso antsika i Jesoa androany tsy hatahotra na hitebiteby. Raha tena mino tokoa manko isika dia ho foana ao anatintsika izany tahotra izany. Araka ny fampianaran’i Masindahy Paoly dia tsy afaka misaraka fa mifameno tanteraka ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ka ny fananana ireo dia tokony tsy hananana tahotra amin’ny maha kristianina fa tokony hatoky mandrakariva an’Andriamanitra sy ny fitiavany. Izy Kristy ihany aza ange no nilaza tamintsika hoe: “Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany”. Ity Vaovao Mahafaly aroso ho antsika androany ity dia efa fandrentsika matetika, indrindra rehefa misy fandevenana. Tsy sitrak’Andriamanitra ny hampiaina antsika ao anatin’ny tahotra sy ny tebiteby fa ny hanala antsika amin’izany aza no ataony. Ny fahasambarana irìn’i Kristy hiainantsika no analany antsika amin’izany. Tsy misy olona manda ny ho sambatra, ary miara-miaiky ny rehetra fa ny fitadiavana izany fahasambarana izany no imasoan’ny zanak’olombelona eto an-tany. Matetika isika no voasarik’ireo sarintsarim-pahasambarana manodidina antsika. Na izany aza anefa dia tsy voafetra ny hasambarana katsahin’ny olombelona ka mahatonga azy tsy afa-po amin’izay atolotra azy na izay ananany. Toa fahadisoan-kevitra na diso lalana isika mikatsaka fahasambarana eto an-tany dia fahaverezana aza no hiafarana. I Kristy dia nampanantena antsika ny tena hasambarana; ilay hasambarana ao amin’Andriamanitra; izay tsy mety levona fa maharitra mandrakizay. Io ilay toerana notenenin’i Kristy tamin’ny mpianany fa omaniny ho antsika. Tsy vitan’izany ihany fa nanoro antsika ny fomba sy ny lalana mankany amin’izany fahasambarana tena izy izany koa i Kristy. Ny zavatra tsapa anefa dia tsy ampy finoana loatra isika olombelona ka zary feno tebiteby sy ahiahy eo am-pisaintsainana io hasambarana natoron’i Kristy io. Izany mazàna no mahatonga antsika hikaroka hasambarana ivelan’i Kristy kanefa dia mitondra antsika any amin’ny fahaverezana izany matetika. Tsarovy koa anefa fa tsy hahazo ny tena fahasambarana marina isika raha tsy amin’ny alalan’i Kristy sy miaraka Aminy, raha tsy miaina sy mitandrina ny didiny sy ny lalàny. Koa miezaha àry mba hanaraka azy satria Izy no lalana mitondra any amin’ny tena fiainana, Izy no Loharanon’ny fahasambarana sy ny fahamarinana rehetra. Angataho Izy mba tsy hamela antsika hisaraka aminy.

Ry Jesoa Kristy Tomponay ô! Fatra-pitady ny hasambarana mora levona ety ambonin’ny tany izahay olombelona; koa ampio hitodika Aminao ny fonay ka hikatsaka ilay hasambarana tena izy, dia ilay efa nomaninao ho anay hatry ny ela. Amen!

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...